• Miisa 17 ireo olona maty vokatry ny fihinana sakafo nandritra ny fety ny sabotsy teo. Tafakatra 14 ny isan'ireo maty teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona androany maraina... • Nizotra am-pilaminana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy, notanterahana androany. Nitsidika ny foibem-panadidina teny amin'ny CEG Avaradrova androany maraina, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle... • Endriky ny tsy fisian'ny demokrasia ireny teny nataon'ny Praiminisitra teny amin'ny Lapan'ny Antenimeran-doholona omaly ireny, hoy ny filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Endrika fandrahonana ny mpanohitra ihany koa, hoy ny Profesora Ralison Roger...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...