26 Jona 2025, feno 65 taona amin’ity taona ity no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin’ny maha firenena mahaleotena antsika izay, dia mari-pamantarana an’izany ny fananana ny sainam-pirenena. Manana ny sainam-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa i isika malagasy. Teo amin’ny tantara dia ny Romana sy grika no nampiasa ny saina voalohany nentina namantarana ny Fanjakana sy ny antokon-tafika tao aminy. Fampiasa tamin'ny sehatry ny ady hanavahana ny tafika mifanandrina avy ny saina. Tamin'ny taonjato faha 16 kosa vao nanana ny endriny fahita amin'izao fotoana izao ny saina dia ny lamba mihofahofa.
Fa ho antsika teto Madagasikara kosa dia tany amin'ny andron'ny Mpanjaka Radama voalohany no nisy ny saina amin'ny lamba mikopakopaka azy, namantarana ny Fanjakana Merina noho izy nifanerasera tamin'ny vahiny. Mena sy fotsy ny lokony. Ny foko sakalava nefa no tena nampiasa ny saina voalohany teto amintsika noho izy ireo nifanerasera tamin'ny vahiny teo amin'ny lafiny ara-barotra. Nitovizana ny loko dia mena sy fotsy fa ny nampiavaka ny teto Imerina dia ny soratra RM teo afovoany nanafohezana ny hoe Radama Manjaka na Ranavalona Manjaka.
Rehefa tonga teto amintsika kosa ny frantsay nanjanaka an'i Madagasikara dia ny saina frantsay Manga Fotsy Mena no nampiasaina. Marika fa very ny fiandrianan'i Madagasikara. Rehefa nambara kosa fa foana ny lalana nahatonga an'i Madagasikara ho zanatany tamin'ny faha 14 oktobra 1958 dia nanana ny saina mariky ny fiandrianany i Madagasikara. Tsiahivina fa Ranaivoson Andrianome, Mpiasa tao amin’ny Foibe Taosaritany Malagasy na ny FTM, no namorona ny sainam-pirenena Malagasy nandritra ny fifaninanana nampanaovina tamin’izany fotoana. Ny faha 21-n’ ny volana Oktobra 1958 no naseho vahoaka voalohany ny sainam-pirenena Fotsy-Mena-Maitso. Ary ny taona 1960 dia efa nihofahofa tao amin’ny Firenena Mikambana ny sainam-pirenana malagasy.
Misy loko telo ny sainam-pirenena Malagasy dia ny Fotsy-Mena-Maitso, fa tsy ovaovana ka handisoana ny fampianarana ny taranaka hoe amin’ny fampiadiana rima fotsiny hoe « Sainam-pirenena, maitso-fotsy-mena.» Tahaka izany koa ny fanampian’ny olona haingohaingo sy loko hafa amin’ny sainam-pirenena. Ny Fotsy no mitsangana ary ny mena no eo ambony, ny maitso kosa no ambany. Ny loko Fotsy dia manambara fahadiovana na fahaleovantena madio mangarangarana, ny mena midika ho fitiavan-tanindrazana sy fiandrianam-pirenena, ny maitso kosa midika ho fanantenana.
Fa ity koa no tokony ho maha sarotiny antsika, dia ny refin’ny sainam-pirenena izay tokony ho hajaina. Ny refiny mahitsizoro tsirairay fotsy, mena, maitso mandrafitra ny fanevam-pirenena dia indroan’ny sakany ny lavany. Hoan’ny refin’ny saina mivelatra dia roa ampahatelon’ny lavany ny sakany.
Marika iray entin’ny vahoaka Malagasy nanamarihana isan-taona ny niverenan’ny fahaleovan-tenam-pirenena ny fananganan-tsaina hatramin’izany. Lasa ihany ny fandiniky ny Arofanina hoe Tena efa nisy sy niainana ary mbola mitoetra tokoa ve ny hoe fahaleovan-tena? Vao migadona ny volana Jona dia manomboka mirantiranty eny anivon’ireo sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ny haingo vaoravaky ny lokon’ny sainam-pirenena, torak’izany koa ny isan-tokatrano, eny amin’ny sisin-dàlana sns... Tadidio fa mety ho very hasina sy tsy hita io rehefa tsy voakolokolo. Tsy ny volana Jona ihany no hikatsahana izany fa isan'andro na amin'ny fihetsika, na fiteny indrindra ny fanajana ny fiandrianam-pirenena ka iray amin'ireny ny sainam-pirenena. Ny fahitana ny zava-misy tato anatin’ny taona maromaro nifandimby no mahatonga ny arofanina amin’izany eritreritra izany. Lasa toa tafiditry ny resaka politika sy tsy fitoviam-pijery eo amin’ny mpitondra, ny mpanohitra ary ny samy olom-pirenena ny fananganana ny sainam-pirenena rehefa ankatoky ny fety tahaka izao. Toa zary lasa fomba hanehoan’ny olom-pirenena ny tsy fankasitrahany ny mpitondra ny tsy fananganany ny saina, toa lasa fametraham-panotaniana no betsaka hoe tena mahaleotena sy manana ny fiandrianany tokoa ve isika no tian’ny vahoaka haseho. Tsy hay na mahatsapa izany ny mpitondra fa toa lasa fomba amam-panao hanerena ankolaka ny olom-pirenena hanangan-tsaina tsy amin’ny nahimpony ny fanaovana hetsika fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany. Hoan’ny tamin’ity taona ity izao dia voafaritra ho tamin’ny faha roa ny volana Jona teo izany ary tsy hifarana raha tsy ny faha roa ny volana Jolay. Amin’izao herinandro mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena izao anefa dia tena mbola vitsy ireo olom-pirenena isan-tokatrano no manangan-tsaina na eo aza ny fanentanana samihafa. Saika ireo sampan-draharaham-panjakana aloha hatreto no tena ahitana betsaka izay saina izay, matetika ary efa zary lasa fomba amam-panaontsika rahateo ihany koa moa ilay miandry farany amin’ny zava-dehetra vao manapa-kevitra. Marisika kokoa amin’ny ankapobeny amin’ny fananganan-tsaina ny any amin’ny faritra mivoaka ny renivohitra raha somary marisarisa ny an-tanan-dehibe.
Fa na inona na inona kosa aloha fironan-kevita sy tsy fifankahazoana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, dia adidin’ny olom-pirenena tsirairay, raha mbola mahatsapa ho olom-pirenena ihany koa, ny maneho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrianam-pirenena, sao lahy sanatria ny antsika toy ny valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia! Tokony ho saro-piaro voalohany mialoha ny hanajan’ny hafa izany isika. Tsy tokony hiandry baiko na ho tambatambazana ny fampiakarana ny fanevam-pirenena raha mbola mikoriana ao anatintsika ao ny rà Malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana. Fotoana tahaka izao no tena tokony hanehoan’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo fa iray ihany isika na tsy mitovy fiaviana sy firehana na finoana ary fomba amam-panao aza, fa atambatr’i Madagasikara ho iray, ka tokony samy hanome lanja ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisankina, tsy ho voazarazaran’ny foto-kevitra sy ny loko politika tsy mitovy. Tokony ho latsa-paka ao anatintsika fa Malagasy isika, fiandrianam-pirenena fa tsy ldia tany amin'ny andron'ny Mpanjaka Radama voalohany no nisy ny saina amin'ny lamba mikopakopaka azy, namantarana ny Fanjakana Merina noho izy nifanerasera tamin'ny vahiny. Mena sy fotsy ny lokony. Ny foko sakalava nefa no tena nampiasa ny saina voalohany teto amintsika noho izy ireo nifanerasera tamin'ny vahiny teo amin'ny lafiny ara-barotra. Nitovizana ny loko dia mena sy fotsy fa ny nampiavaka ny teto Imerina dia ny soratra RM teo afovoany nanafohezana ny hoe Radama Manjaka na Ranavalona Manjaka.