• Manomboka tsy ahitana solika intsony ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo, raha filaharam-be ny eny amin'ireo mbola manana tahiry. Ahiana hitarika any amin'ny fivarotana solika mitapoka izao olana izao, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... • Nomelohin'ny Fitsarana higadra 20 taona an-tranomaizaina, sazy mihatra, ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy. Nivoaka androany ny didim-pitsarana mihatra amin'ity manam-boninahitra eo anivon'ny tafika ity, izay tsy hita ny misy azy hatramin'izao... • Kasaina hovana ny lalana ahafahana manenjika ireo Solombavam-bahoaka, izay manana “immunité parlementaire”. Tsy maintsy hisy ny fanovana lalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota, hoy ny Filohan'ny CSI teny Tsimbazaza androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...