Radio Don Bosco
Maison Don Bosco
BP 60, 105 Ivato-Aéroport
MADAGASCAR
+261 32 07 201 51
Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
+261 20 76 443 90
+261 20 76 442 09
+261 33 08 850 02 (SMS ihany)
Radio Don Bosco
Foyer Notre-Dame (ex. ISTS)
129 bis, rue Cardinal Jérôme Rakotomalala
101 Antananarivo
MADAGASCAR
+261 32 07 201 52
+261 34 99 481 62
Tsy dia mahataitra loatra ireo ray aman-dreny niteraka sy ireo mpanabe ny fahitana ny zanany na ny zaza iray manaikitraikitra hoho, kanefa dia misy fiantraikany any amin'ny fiainany manontolo, any maha izy azy mihitsy izany. Resahana io lohahevitra izao mba hahafantaran'ny mpihaino fa misy antony mahatonga io tranga io.
Sarotra ny fiainana aty Argentine, hoy Fr Randriamalalatiana Harinala Romel, sdb satria miova avokoa na ny ora sy ny fomba fianarana, na ny olona sy ny fifampitondrana ao amin’ny ankohonam-piainana, na ny kolo-tsaina sy ny fiaraha-monina. Sedra atrehan’ireo misionera, tsy maintsy hihoarana izany. Mizara ny traikefa-piainany amintsika I Fr Romel.
Radio mahaleo tena, mpanabe, manaraka ny foto-pinoana Katôlika, ary tsy manana tanjona pôlitika na filàm-bola, ny Radio Don Bosco. Ny filamatra kristianina sy ny fampianaran'ny Fiangonana no entiny manampy ny olona hivoatra sy hihalavorary amin'ny maha-olona sy maha-kristianina azy, ary amin'ny fomba manokana, ny tanoran'i Madagasikara.
Radio Tsy manavaka na iza na iza ny Radio Don Bosco. Miteny ho an'ny olon-drehetra, indrindra ho an'ny tanora satria tanora rahateo koa no manao azy. Na inona na inona kanto sy mahasoa eto Madagasikara dia aelin'i Radio Don Bosco.
Feo miara-dàlana amin'ny olon-drehetra ny Radio Don Bosco:
Radio mahatehotia manolotra ho anao:
mitondra ny feon'ny:
Tonga teto Madagasikara ny salezianina tamin'ny 1981, nentanin'ny hafanampon'ny "Vina Afrika" (Projet afrique), ary avy hatrany dia nisongadina tamin'ny fitrandrahana ny sehatry ny Serasera.
Folo taona tato aoriana dia nitsiry ny hevitra hanao Radio, ho fitaovam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fampivoarana ny ara-tsôsialy.
Tanteraka ny nofinofy nony neken'i Mômpera Luigi Zuppini lehiben'ny Fikambanana sy ny filànkeviny ny faniriana hanao Radio. Voatendry ho tale voalohany i Mômpera Luca Treglia, nanampy azy niandraikitra ny fanofanana ny ho mpandraharaha i Mômpera Rosario Salerno.
Nandritra ny taona 1995 sy 1996 dia nanolotra fampiofanana mpandraharaha amina asa fampielezam-peo ity Radio vao hisokatra, hanomànany ny ho mpiasa ao aminy.
Raikitra fa "RADIO DON BOSCO" no hatao anarany ho fankasitrahana an'i Masindahy Joany Bosco mpanorina ny Fikambanana Salezianina. Ny teny faneva "Plus je l’écoute, plus je l’aime", dia manambara mazava ny fanamby avo lenta hametrahana ny Radio Don Bosco ho Filamatra eto an-drenivohitra Antananarivo. ("Arakaraka ny hihainoako azy no itiavako azy").
Ny 27 jona 1996 no notokànana ny Radio Don Bosco ka nampiely voalohany ny onjam-peony amin'ny fomba ôfisialy. Ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra no nitarika ny lanonana, notronin'ny olo-manan-kaja maro avy amin'ny sehatra pôlitika sy ara-kolotsaina.
Nandimby an'i Mômpera Luca i Mômpera Cosimo Alvati teo amin'ny fitantanana ny Radio, nanomboka ny taona 1998 hatramin'ny 2006.
Niverina kosa indray ny volana marsa 2006, ary talen'ny Radio Don Bosco mandraka ankehitriny, i Mômpera Luca Treglia.
Ora | ALATSINAINY | TALATA | ALAROBIA | ALAKAMISY | ZOMA | SABOTSY | ALAHADY |
04.30 | HIRA MASINA | ||||||
05.30 | INDICATIF RDB | ||||||
VAVAKA MARAINA | HORIZONS CHRÉTIENS | ||||||
06.00 | ANGELUS | ||||||
RAKI-TSAROBIDY | VAVAKA ALAHADY | ||||||
TENIN'NY TOMPO | |||||||
KINTAN'NY FINOANA | |||||||
MIBEA SY MIKOLO | KINTAN'NY FINOANA | ||||||
06.45 | TOP ÉVANGÉLIQUE | RAKI-TSAROBIDY | |||||
06.50 | PUBLICITÉ | HIRA MASINA | |||||
07.00 | VAOVAO | TAFASIRY | |||||
07.20 | FILAZANA | 07.30 FINOANA AINA ® |
|||||
07.40 | METEO | ||||||
07.50 | PUBLICITÉ | ||||||
08.00 | KETRIKA | HIRAHIRA | |||||
08.30 | PUBLICITÉ | HIRA MASINA | |||||
08.40 | TANTARA FORONINA | 08.30 LENTA SY TANJAKA |
|||||
09.00 | FLASH INFO | SORONA MASINA | |||||
KETRIKA | SOA MIDITRA | HIRAHIRA | |||||
09.30 | PUBLICITÉ | ||||||
10.00 | NDAO HORESAHINA | AMPELA MIHARY | MBA HO VANONA | EVA | SOA MIAMPITA | HIRAHIRA | |
11.00 | FLASH INFO | HIRAHIRA | |||||
PUBLIREPORTAGES | |||||||
11.30 | FILAZANA | ||||||
12.00 | INDICATIF RDB | ||||||
VAOVAO | FAMPIANARANA EVEKA | ||||||
12.20 | PUBLICITÉ | ||||||
12.30 | KINTAN'NY FINOANA | ||||||
12.45 | JOURNAL RADIO VATICAN | HIRAHIRA | |||||
13.00 | TANTARA MITOHY | ||||||
HIRAHIRA | |||||||
13.30 | PUBLICITÉ | ||||||
13.40 | FILAZANA | ||||||
14.00 | FLASH INFO | TOP ÉVANGÉLIQUE | HIRAHIRA | ||||
ONJA MANAKO | HIRAHIRA | ||||||
14.30 | PUBLICITÉ | ||||||
15.00 | ORAN'NY GOLGOTA | ||||||
15.30 | PUBLICITÉ | ||||||
16.00 | FLASH INFO | HIRAHIRA | HIRAHIRA | ||||
ONJA MANAKO | |||||||
16.30 | PUBLICITÉ | ||||||
ONJA MANAKO | HIRAHIRA | HIRAHIRA | |||||
17.00 | FILAZANA | ||||||
17.10 | PUBLIREPORTAGES | FAHASALAMANA | PUBLIREPORTAGES | HIRA GASY | |||
17.25 | PUBLICITÉ | PUBLICITE | |||||
17.30 | FAHASALAMANA | HIRAHIRA | FAHASALAMANA® | HIRAHIRA | FANJARY | ||
18.00 | FILAZANA | ||||||
18.15 | RAKI-TSAROBIDY ® | ||||||
18.30 | MIARA-DALANA | TAFASIRY ® | TONTOLO MEVA | HIRIKA | MIARA-DALANA | FAMPIANARANA EVEKA | HIRAHIRA |
18.45 | HIRAHIRA | ||||||
18.55 | |||||||
19.00 | NISONGADINA | FILAZANA | VETSOMBAVAKA | ||||
19.05 | FILAZANA | ||||||
19.20 | PUBLICITÉ | ||||||
METEO | |||||||
19.30 | VAOVAO | VAOVAO (RETRO) | HORIZONS CHRÉTIENS | ||||
20.00 | VAVAKA HARIVA | ROZERY | VAVAKA HARIVA | ||||
20.15 | KINTAN'NY FINOANA | ||||||
20.20 | PUBLICITÉ | ||||||
20.30 | MBA HO VANONA ® | FEON'NY LAKROA | HONO HO AHO | EVA ® | FINOANA AINA | AMPELA MIHARY ® | TANTARA |
21.00 | JAZZ | ||||||
21.30 | HIRAHIRA | ALIMBETSO ® | HIRAHIRA | HIRAHIRA | HIRAHIRA | ALIMBETSO | |
RAKI-TSAROBIDY ® | |||||||
MIBEA SY MIKOLO ® | HIRAHIRA | ||||||
21.50 | TENIN'NY TOMPO | ||||||
22.15 | RADIO VATICAN FRANÇAIS [RENDEZ-VOUS AVEC L'AFRIQUE] | HONO HO AHO ® | |||||
23.00 | VAOVAO ® | ||||||
23.20 | PUBLICITÉ | HIRAHIRA | |||||
23.30 | METEO | ||||||
23.35 | HIRAHIRA | ||||||
00.00 | PROGRAMME MUSICAL |
Efa noresahantsika teto avokoa ny paik'ady rehetra entina manorina fahombiazana sy fiadanana, na teo amin'ny lafiny ara-batana, na teo amin'ny lafiny ara-tsaina, na teo amin'ny lafiny ara-po sy fitiavana, na teo amin'ny lafiny ara-panahy.
Ny teny famporisihana dia fanehoam-pitiavana, ary ny fitiavana dia manova zavatra lehibe. (21-11-2019)
Alarobia 18 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24.
Andro fahavalo mialoha ny fankalazana ny Noely isika anio, tarihan'ny Evanjely hibanjina ny toetra nananan'i Masindahy Josefa, ilay Ray nanankinan'Andriamanitra ny zanany.
Talata 17 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjelin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17.
Ahariharin'i Masindahy Matio tamintsika teo ny fototra niavian'i Kristy, ilay Mesia. Tsy zavatra tongatonga ho azy fa fandaharan'Andriamanitra, mba hiseho sy ho hita miharihary ny firaisany amin'ny toetra maha olombelona antsika sy ny famonjena antsika amin'ny alalan'ny Zanany, hahazoan'ny rehetra ny ny fahafahana sy ny fiadanana marina.
Alatsinainy 16 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27.
Tsy zavatra roa samy hafa akory izay nataon'i Joany Batsita sy i Jesoa, fa iray ihany dia ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Samy avy amin'Andriamanitra, saingy i Joany dia mpialoha làlana fotsiny ihany fa i Jesoa kosa no mpanatanteraka.
Notanterahina ny 07 ka hatramin'ny 15 novambra 2019 ny fivoriam-be faha-2, fanaon'ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara. Ny fandalinana ny hafatry ny Papa François nandritra ny fitsidihana an'i Madagasikara no nifantohan'ny dinik'izy ireo dia ny " Fiarovana ny tranobe iombonana'.
15 desambra 2019 — Alahady faha-3 amin'ny fiavian'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11 — Antomotra ny Noely, izay fotoana lehibe ho an'izao tontolo izao, satria Izy Andriamanitra amin'ny alalan'ny Zanany no miditra eo amin'ny tantaram-piainantsika olombelona, hitondra fanavotana sy fiainam-baovao mba hahatonga ny Fanjakany ao am-pon'ny tsirairay sy ao amin'ny fiainantsika olombelona.
Dingana maromaro no tsy maintsy lalovana rehefa hikolokolo ny fahasalamana ny olona. Ary tsy misy azo tsinontsinoavina avokoa izany. Raha tiana ny hahazo fahasitranana ao anatin'ny fotoana tsy dia maharitra rehefa mitsabo, dia tsy maintsy omena lanja avokoa ireo dingana maromaro ireo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco