25 jolay — I Jakôba na Jacques Zokiny dia zanak’i Zebede sy i Salome, rahalahin’i Joany evanjelista. Nantsoina hoe zokiny izy mba hanavahana azy amin’ilay apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Jerosalema izy. Avy any Galilea i Jacques ary zokin’i Jesoa roa ambin’ny folo taona.

Mpanjono sy mpanarato no asany, mitovy amin’ny rainy sy ireo rahalahany. Indray andro raha teo am-pikarakarana ireo aratony izy, teo amoron’ny onin’i Genezareta, no nantsoin’i Jesoa ho mpanarato olona. Nilaozany ny rainy sy ny sambo ary nanara-dia an’i Jesoa izy ka tonga apôstôly. Rehefa nirahana nizarazara tany amin’ny toerana maro ireo apôstôly dia tonga tao Espagne i Jacques, voatetiny ny tanana, tsy nitandro hasasarana izy ; nefa dia vitsy monja ny mpianany, satria dia sivy no nibebaka, nefa tsy nahakivy azy izany fa noheveriny fa efa vokatra tsara.

I Jacques no niangavian’i Maria Virjiny hanangana Chapelle iray ho fanajana azy hiarovana an’i Espagne raha teo koa. Ary maro ny fomba anehoan’i Masina Maria amin’ireo Espagnols fa eo ambany fiahiany izy ireo. Rehefa niverina tao Jerosalema i Jacques dia nitory ny finoana an’i Jesoa Kristy ary nampibebaka olona maro. Indray andro, raha nitoriteny izy dia nisy antokon’olona nanohitra azy. Nentina teo anoloan’i Hérode izy, ary nambara fa maka fanahy ny vahoaka ka mendrika ho faty. I Hérode moa tsy dia miasa saina loatra fa manao izay mahafinaritra azy fotsiny. Avy hatrany dia nanome baiko izy hanapaka ny lohan’ity apôstôly ity. Nentina tany Espagne àry ny vatana mangatsiakan’i Jacques satria dia noheverina fa efa an’io toerana niasany io izy, izay toerana nitoriany ny Vaovao Mahafaly. Izy no mpiaro an’i Espagne tamin’ireo fifanoherana tamin’ireo Sarazins. Ary anisan’ireo toerana fanaovana fivahinianana masina malaza eran-tany ny ao Espagne ny ao amin’ny Saint-Jacques-de-Compostelle.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...