Alahady 26 jolay 2020 — Alahady faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-52 — Misaotra Anao aho Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.

0 : 00

Ry kristiana havana, izay zavatra heverintsika fa mety ho tsara indrindra, amin’izao zavatra hita maso ankehitriny izao, dia lazain’ny foto-kevitra amintsika mandritra ity herinandro ity hoe : mety ny mahafoy izany, hahazoana ny tsara kokoa, dia tsy inona izany fa ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra.

Noho izany, misarika antsika i Jesoa mba hitodika sy hibanjina ary hanorina dia ny izao sahady, ny atao hoe : fanjakan’ny Lanitra dia ny ety an-tany. Koa fanoharana ihany koa no entin’i Jesoa manazava izany amintsika ankehitriny. Ambaran’i Jesoa, fa rakitra sarobidy atomboka dia ny ankehitriny ny fanorenana ny fanjakan’ny Lanitra, ka ny zavatra tsikelikely amin’izay fiainana ataontsika isan’andro no miangona ho fanjakan’ny Lanitra ho vatanintsika raha hatrizay. Ambaran’i Jesoa mazava tsara ihany koa fa tahaka ny hafetsen’ilay mpandranto iray nahita voahangy na firavaka sarobidy ihany koa no tokony ataontsika, raha hanorina io fanjakan’ny Lanitra io isika, izany hoe mahafoy izay mety heverintsika fa mahafinaritra mba hitadiavana ny mahasoa. Ary ambaran’i Jesoa amin’ny ohatra nataony fahatelo fa sahala amin’ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina iray ity atao hoe fanjaka’ny Lanitra ity ka nanangona izay hitany rehetra tany, izany hoe raha iainantsika amin’ny fiainana ankehitriny : dia tsy natao na nosokajina ho antokon’olona na ho an’olon-tokana ity fanjakan’ny Lanitra hahorina ety an-tany ity fa natao ho an’izay afaka hikatsaka sy hanorina azy amin’izay ataony rehetra amin’ny fiaianany. Koa katsaho àry aloha, ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia omena anao ny sisa rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...