26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.

Voalaza fa i Joachim dia lehilahy mpanan-karena sy tia vavaka ary manao asa fiantrana tsy tapaka ho an’ny sahirana sy ho an’ny tempoly. Eonoka i Masimbavy Anne vadiny, izany no niatahan’ny olona tamin’izy ireo eny fa hatramin’ny mpisorona aza dia nandà izay sorona nataony. Nambaran’ny olona mantsy fa ny fahamomban’i Anne dia noho ny fahatezerany tamin’izy ireo. Nankany an-tany efitra noho izany àry i Joachim ka nifady hanina sy nanao asa fivalozana nandritra ny efapolo andro. Samy nisehoan’ny anjely izy ireo ary nampanantenainy fa hanan-janaka. Niverina tany Jerosalema i Joachim ary namihina an’i Anne.

I Anne moa dia avy amin’ny fokon’i Joda taranak’i David, mbola kely izy dia efa fantatra tamin’ny toetrany malefaka, manetry tena sy manaiky. Nony efa nitombo taona, dia niaro ny fahadiovany sy tia vavaka. Ary rehefa nanambady izy, tao an-tokatranony dia vehivavy nanaja vady, miasa be, tia namana, ary tsy adinony hatrany ny fitiavam-bavaka. Efa antitra i Joachim sy Anne no niteraka an’i Maria Renin’ny Mpamonjy. Voninahitra lehibe ho azy ireo no niteraka ilay Renin’Andriamanitra.

Voalaza fa misy toerana manaja an’i Masimbavy Anne. Nentina tany Gaule ny vatany tamin’ny taonjato voalohany fa tamin’ny fanenjehana kristianina dia nofongarana tao ambanin’ny fiangonana tao Apt tao Provence izy io. Tamin’ny faran’ny taonjato fahavalo dia hita tampoka indray ka lasa toerana fanaovana fivahinianana masina izany. Ny taonjato faha fito ambin’ny folo no tena nisy fomba fanajana azy. Ny ao Oreille any Bretagne moa no misy sanctuaire mitondra ny anarany fanta-daza ary hatramin’izao dia mbola toerana fanaovana fivahinianana masina io toerana io. I Masimbavy Anne raha teo no mpiaro an’i Bretagne sy ireo vehivavy miteraka ary ny vehivavy mananon-tena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...