05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.
Zary fomba amam-panaoantsika amin'izao fotoana izao, na lehibe na tanora na ankizy ny tsy mahay miaina sy tsy mahay mitia. Mamono ankoloka na mivantana ny fampitondrana kitra ny mpiara-belona. Ny fametahana anaram-bositra dia fampitondrana kitra
Ny fifampitokisana no fototra mampirindra ny fifandraisana. (04-11-2020)
♦ Votoatin'ny fifaninanana pika sary karakarain'ny fikambanana T.S.A, miaro ny sokatra eto Madagasikara... ♦ Ny sahona mena... ♦ Fanentanana amin'ny fiarovana ny varika...
♦ Handrasana anio maraina etsy amin'ny seranam-piara-manidina etsy Ivato ny fahatongavan'ny satro-boninahitry ny tantarom-piandrianan'ny mpanjaka Ranavalona fahatelo... ♦ Voafehy ny fisondrotry ny vidin'entana jifaina teto Madagasikara tamin'ity taona ity... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, tsy mbola fantatra ny anaran'izay ho filoha mandritra ny efa-taona manaraka...
04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.
Zoma 06 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
♦ Hitohy hatrany ny fitetezam-paritra hataon'ny vondrona panorama... ♦ Hotanterahina ny faha 06 sy faha 07 novambra ho avy izao, eny amin'ny AFT Andavamamba ny hetsika Carrefour de la formation, des métiers et de l'emploi... ♦ Noahafahan'ny pôlisy teo am-pelan-tanan'ilay naka sy nitana azy ankeriny, nonomboka ny faha-13 oktobra lasa teo ny ankizy vavy katolika iray...
Alakamisy 05 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10 — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
♦ Hotokanana amin'ny zoma 06 novambra ho avy izao ny asa fanarenana ny rovan'i Manjakamiadana... ♦ Hametraka toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro hanana tanjaka 11 megawatt ao Antananarivo renivohitra ny orinasa JIRAMA... ♦ Naneho ny alahelony sy ny hatairany noho ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Vienne any Autriche izay nahafatesan'olona miisa 04 fara-fahakeliny ary nandratra olona miisa 14 hafa ny papa François omaly...
♦ Mahafehy tsara ny teny sinoa ny tanora malagasy... ♦ Fampandrosoana ny eny ambanivohitra, nosantarina tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Hotel Carlton ny tetik'asa Fandroso... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, Donald Trump sa Joe Biden no hibata ny fandresena...
03 nôvambra — Teraka ny 9 desambra 1579 tao Lima any Pérou i Martin. Zanak'i Jean de Porrès sy i Anne Velasquez izy. I Jean moa dia miaramila tao Alcantara, i Anne kosa andevo mainty nahazo fahafahana tamin'inzany fotoana izany. Nanan-jandry ihany koa i Martin, nantsoina hoe Joanna.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco