Rehefa tsy hiainana moa ny finoana dia kristianina sarisary ny fianakaviana iray. Ary rehefa toy izany dia manao fitaovana ny fivavahana ho fiarovan-tena sy ampiasaina amin’ny ara-politika. Ny tena ratsy dia lasa fieren-jiolahy mihitsy ny Fiangonana, izany hoe mody mivavaka mba hanafenana ny asa ratsy rehetra natao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Tsy azo tsapain-tanana, ary tsy ren’ny fandrenesana ny finoana. Resaka ara-panahy ny finoana ka mila aseho amin’ny fiainana sy asa eto ivelany, araka ny voalazan’i Md Jakoba, mba hijoroana ho vavolombelona fa kristianina marina sy mahitsy ny olona iray. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Tsy misy intsony ny hafanan’ny fifankatiavana, ny fifampihainoana ary ny fifampizaràna ao an-tokantrano. Vitsy dia vitsy ny tokatrano manam-pinoana ka maneho eto ivelany izany hoe tokatrano kristianina izany. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Noho ny finoana an’Andriamanitra no hanoloran-tena handray an’ireo sakramenta ireo. Finoana izay misy vokany eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila resy lahatra amin’ny herin’ireo Sakramenta ireo ny olona vao azo lazaina fa manam-pinoana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Miainga avy amin’ny Sakramentan’ny Batemy ny fiainana maha-zanak’ Andriamanitra. Tsy maintsy zanak’Andriamanitra daholo ny olona ao an-tokan-trano ao vao afaka hiteny hoe tokan-trano kristianina mifototra sy mifikitra amin’ny finoana an’Andriamanitra izy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Tsy maintsy iainana anaty ny finoana noraisina tamin’ny Batemy fa tsy raviravi-natentina fotsiny. Manaraka izany ny sakramentan’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, ny Fampihavanana ary ny Mariazy mba ho feno fatra ny maha tokatrano kristianina azy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Mba hahafahana manana ny finoana dia ilaina ny manana fahazarana mivavaka. Miara-mivavaka ny mpianakavy ao an-trano ao. Ilaina ny manao fifanakalozana ara-panahy: mamaky Baiboly sy mifampizara izay azony sy nanaitra azy tao. Ilaina ny mivavaka any am-piangonana sy miditra Fikambanana Masina na firohotana krisitianina mba ho fanamasinan-tena. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Ilaina ny manokana fotoana indraindray mba hanaovana loabary an-dasy ka manao tombana ny fiainam-pianakaviana. Ilaina koa anefa indraindray ny mangina ao an-trano ao mba hahafahana miresaka amin’Andriamanitra bebe kokoa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Raha fototry ny tokatrano ny finoana an’Andriamanitra dia mila miankina amin’Andriamanitra ny olona mamorona izany tokatrano izany. Mijoro araka ny sitrapon’Andriamanitra ny tokatrano iray rehefa miaina ny finoana Azy ny ray sy ny reny ary ny zanaka. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Ny finoana dia ny fitokisana an’Andriamanitra tanteraka. Mampijoro ny fiandrianam-pianakaviana ny finoana an’Andriamanitra. Ny antsoina hoe : tokatrano kristianina dia ny ray sy ny reny ary ny zanaka resy lahatra amin’ny herin’ny sakramenta izay raisiny ka mitandro izany ho ampinga enti-miady amin’ny ratsy sy mijoro ho vavolombelon’ny finoany eo amin’ny fiainany andavanandro. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
♦ Tokony ho sokafana amin'izay ny sekoly manomboka ny 19 avrily izao, hoy ny Foibe Fanabeazana Katôlika. Tsy vahaolana intsony ny mbola hampiatoana indray ny fampianarana hoy ny pretra tompon'andraikitry ny Dinec... ♦ Niampy valo indray ireo olona matin'ny Coronavirus eto amintsika, raha ny antontanisa nivoaka androany...
♦ Olana goavana ho an'ny mponina any amin'ny faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika ka nahatonga ny olona hifindra-monina. Ny CRS no isan'ireo nitondra vahaolana amin'ny fambolana hazo ho fiarovana ny rara-pasika tsy hanototra ny tanàna sy ny fambolena... ♦ Ny fandrefiala mena dia hita any amin'ny faritra Ambositra, Ranomafana Vohibe sy ny manodidina. Mavitrika amin'ny alina ary mpihanika hazo ny fandrefiala mena, ny lohany dia lehibe noho ny hatokany...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco