Alakamisy 22 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-51

Ambaran’ny Evanjely anio ny habadoan’ireo mpitondra vahoakan’i Israely manoloana ny misterin’ny maha avy amin’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy : Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra (Jo 6, 41). Sarotra tamini’reto mpitondra ny vahoaka jody ny nahatakatra an’izany satria diso fantatr’izy ireo ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany. Fa ny antony lehibe tsy nahalalany an’i Jesoa Kristy dia noho ny tsy fisokafany amin’Andriamanitra ka izany no tsy nahafahany hanaiky an’i Kristy sy ny tolotra nataony. Tsy nahatsapa ho voasarik’i Kristy izy ireo ; tsy nahalala fa avy amin’Andriamanitra io Jesoa Kristy mampianatra azy io, satria tsy te-hisokatra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka hisokatra amin’Andriamanitra hatrany ny fo amam-panahintsika sy ny sofintsika fa izany no hahalalantsika bebe kokoa ny misterin’i Kristy sy hahafahantsika bebe kokoa miombona aina aminy hatrany hatrany.

Mbola manasa an’iretsy mpitondra ny vahoaka Israely i Jesoa Kristy, na dia eo aza ny fahabadoan’izy ireo. Asainy izy ireo mba hanao dingana amin’ny fahalalana an’ilay hevitry ny Paka. Raha toa ka fahatsiarovana ny nihinanana an’ilay sakafo tany an’efitra ny Paka fahiny ; ankehitriny kosa i Jesoa Kristy mihitsy no sakafo manome an’ilay fiainana mandrakizay. Mahakasika antsika ihany koa izany fanasan’i Jesoa Kristy izany mba hahaizantsika manomana mandrakariva amin’ny fandraisana ny Eokaristia Masina sy ny fahatsapan-tena eo am-pihinana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...