Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz. 9, 1-6)

Hanala ny jioga nanavesatra azy Andriamanitra, ary hanome fiadanana tsy manam-pahataperana.

Ny vahoaka nandeha tamin'ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan'ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin'ny mpitoraka azy,
dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiàna.
Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana
mbamin'ny kapaoty mihosin-dra rehetra,
dia atao anaty afo: ka levon'ny afo.
Fa misy zaza teraka ho antsika;
zazalahy nomena antsika;
ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony;
ary ny anarany atao hoe:
Mpanolo-tsaina mahagaga,
Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay,
Andrian'ny fiadanana,
mba hanitatra ny fanjakana,
sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana,
ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,
amin'ny hitsiny sy ny rariny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny hafa azo ifidianana:

Fanisana 6, 22-27 : Hiantso ny Anarako amin'ny zanak'i Israely izy, ary Izaho hitso-drano azy.
Izaia 32, 15-20 : Ny vokatry ny fahamarinana dia ny fandriam-pahalemana.
Izaia 57, 15-19 : Fiadanana ho an'ny lavitra, fiadanana ho an'ny akaiky.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Ankalazaina mandrakizay ny Anaranao, ry Tompo.

Hihaino izay lazain'ny Tompo aho;
moa tsy fiadanana no lazainy
ho an'ny olony mpivavaka aminy,
ho an'izay manankim-po aminy?
Akaiky an'izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany,
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 3-14)

Nitso-drano antsika ao amin'i Kristy tamin'ny tso-drano rehetra am-panahy Andriamanitra.

Hisaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin'i Kristy,
amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra
sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy isika:
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny Rany,
sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,
izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony,
izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.

Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika,
rehefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasàn'Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika nanantena an'i Kristy rahateo.
Tao aminy ianareo no nino,
rehefa nahare ny tenin'ny fahamarinana,
ny Evanjelin'ny famonjena anareo,
ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina,
Izay nampanantenaina sy santatry ny lovantsika,
mandram-pahatanteraky ny fanavotana
an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny hafa azo ifidianana

Filipianina 4, 6-9 : Hiaro ny fonareo sy ny sainareo anie ny fiadanan'Andriamanitra.
Kôlôsianina 3, 12-17 : Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'i Kristy.
Jakôba 3, 13-18 : Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fivavahana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo.
Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)

Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena anareo ho fanampiny ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza manahy ianareo manao hoe:
‘Inona no hohaninay,
na inona no hosotroinay,
na inona no hotafinay?’
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany,
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo,
fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely hafa azo ifidianana

Joany 14, 23-29 : Fiadanana no avelako ho anareo.
Matio 5, 13-20 : Aoka ho lehibe noho ny an'ny Farisianina ny fahamarinanareo.
Matio 20, 20-28 : Izay lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo.
Joany 8, 12. 30-36 : Izaho no fahazavana... ary ny fahamarinana no haha-olona afaka anareo.
Joany 10, 1-10 : Izaho kosa tonga mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Jenezy (Jen. 17, 1-2. 9-10. 15-22)

Hanao fanekena mandrakizay aminao sy amin’ny taranakao aho mba ho vahoakako ianareo.

Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama
dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra;
mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”

Hoy Andriamanitra koa taminy:

“Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao,
dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.
Ka ny fanekena hotandremanareo,
izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao dia izao:
Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.”

Hoy koa Andriamanitra:

“Ny vadinao dia Sarà (izany hoe: Andriambavy) no anarany.
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao.
Hasiako soa izy, ka ho tonga firenena maro ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.”

Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe:

“Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray!
Ary i Sarà vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!”

Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra:

“Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!”

Kanefa hoy Andriamanitra:

“Tsia, fa hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao:
hataonao Isaaka no anarany;
ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho,
dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho,
ka efa nitso-drano azy Aho;
hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra.
Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy
hotongaviko ho firenena lehibe.
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka,
izay haterak’i Sarà vadinao, ho anao,
raha avin-taona toy izao.”

Nony tapi-teny tamin’i Abrahama Andriamanitra
dia niakatra Izy niala teo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Hivimbina antsika avy any Siôna ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.

Ny vadinao:
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)

Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.

Tamin’izany andro izany,
raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa,
dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:

“Tompo ô, raha mety Ianao,
dia mahay manadio ahy.”

Ary i Jesoa naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy ka nanao hoe:

“Mety Aho, madiova ianao.”

Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 15, 1-12. 17-18)

Nino ny Tompo i Abrahama ary neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.”

Fa hoy ny navalin’i Abrahama:

“Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no omenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko
dia i Eliezera avy any Damasy.”

Nanampy teny ihany i Abrahama:

“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.”

Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.”

Dia nentiny nivoaka izy, ka nilazany hoe:

“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao
ka isao ny kintana raha mahaisa azy ianao”,

ary hoy Izy taminy:

“Ho tahaka izay ny taranakao.”

Ary nino i Abrahama ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina,
mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Ry Tompo Andriamanitra ô,
inona no hahafantarako fa hanana izany aho?”

Dia hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray,
osivavy efa telo taona iray,
domohina iray ary vanto-boromailala iray.”

Dia nentin’i Abrahama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo,
ka nosasahany roa mitovy avy izy rehetra ireo,
dia nifampifanandrifiny avy ny vakiny;
fa ny vorona kosa tsy mba nosasahany.
Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza,
fa noroahin’i Abrahama.
Raha ilay nilentika iny ny masoandro,
dia rendriky ny torimaso mafy i Abrahama,
ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
Nony maty ny masoandro ka efa maizina ny andro,
dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra
namakivaky iretsy biby voasasaka.
Tamin’izany andro izany,
nanao fanekena tamin’i Abrahama ny Tompo nanao hoe:

“Homeko ny taranakao ity tany ity,
hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe,
dia i Eofrata izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9

Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo!
Antsao ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga.

Ireharehao ny Anarany Masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny Heriny!
Tadiavo lalandava ny Tavany!

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny Fitsaràny.

Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny,
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa,
fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

Ny voany no hahafantaranareo azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo
manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
ny voany no hahafantaranareo azy.
Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona,
na voan’aviavy amin’ny hery?
Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara,
ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy,
ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara
hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 13, 2. 5-18)

Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, fa mpirahalahy isika.

Nanana harena be tokoa i Abrahama,
dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena.

I Lôta izay niara-dia tamin’i Abrahama,
dia mba nanana omby aman’ondry sy lay koa;
ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany,
fa efa be dia be ny fananany,
ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.
Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrahama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta.
Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tany tamin’izay.
Dia hoy i Abrahama tamin’i Lôta:

“Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao,
na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra?
Ka aoka hisaraka amiko ianao.
Raha mankany amin’ny havia ianao dia ny havanana kosa no halehako;
ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.”

Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra
izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io,
talohan’ny nandravan’ny Tompo an’i Sôdôma sy Gômôra,
dia tahaka ny sahan’ny Tompo,
tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsoara.
Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy;
ka nifindra niantsinanana izy;
toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
I Abrahama nonina tamin’ny Kanaàna
ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna
eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.
Ary ny mponina tany Sodôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’ny Tompo.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Abrahama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy:

“Atopazy ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity,
dia mijere mianavaratra sy mianatsimo,
ary miankandrefana sy miantsinanana;
fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao.
Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao
ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Koa mitsangana ianao,
tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany,
fa homeko anao izy.”

Dia nifindra toby i Abrahama
ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre,
izay any Hebrôna,
ary teo izy nanangana ôtely ho an’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5

Tompo ô, zovy no hiantrano ao an-dainao?

Izay mizotra tsy manan-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-pony,
tsy mamela ny lela haniasia.

Tsy manisy ratsy ny namana,
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo;
tsy mivadika amin’ny teny nomena,
na dia hahasingo-tena aza.

Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana,
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)

Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza omena ny alika ny zava-masina,
ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo,
sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Koa amin’izany,
izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo,
dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany,
fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Midira amin’ny vavahady ety,
fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana,
ka maro no mahazo any;
fa tery kosa ny vavahady,
ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana,
ka vitsy no mahita azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 12, 1-9)

Niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Abrahama nanao hoe:

“Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao
mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao,
ary hampanan-daza ny anaranao.
Ho tonga fanasoavana ianao;
ny manasoa anao hohasoaviko,
ny manozona anao hozoniko,
ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”

Dia niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy,
ary niara-nandeha taminy koa i Lôta.
Efa dimy amby fitopolo taona i Abrahama fony izy niala tany Haràna.
Nentiny i Sarà vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny
ary ny harena rehetra nananany mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna,
dia niainga ho any amin’ny tany Kanaàna izy ireo,
ka tonga tany amin’ny tany Kanaàna izy.
Dia namaky ny tany i Abrahama,
hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema,
hatrany amin’ny terebintan’i Môre.
Ny Kananeana tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany.
Niseho tamin’i Abrahama ny Tompo ka nanao hoe:

“Homeko ny taranakao ity tany ity.”

Ary teo i Abrahama nanorina ôtely ho an’ny Tompo izay niseho taminy.
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela,
dia niorin-day izy,
ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany.
Ary nanorina ôtely ho an’ny Tompo izy teo,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.
Dia nandroso ihany i Abrahama nifindrafindra lasy nianatsimo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 12-13. 18-19. 20 sy 22

Sambatra ny firenena nofidin’ny Tompo ho lovany.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany...
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.

Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!

Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo,
ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 1-5)

Esory aloha ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo;
fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo,
ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao,
nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe:
‘Avelao hesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao’,
nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao,
ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao
ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 10-13)

Izy hanafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

Efa reko izaho Jeremia ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

“Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy! Andeha hotorintsika izy!”

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,
manao andry maso ny diako:
Raha mety ho voatarika izy, dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.
Ny Tompo anefa momba ahy, toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsotra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
Ry Tompon’ny Tafika,
Ianao Izay mizaha toetra ny marina,
Izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an’ireo aho,
fa Ianao no nanankinako ny diako.
Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo,
fa manafaka ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 68, 8-10. 14 sy 17. 33-35

Valio noho ny haben’ny hamoram-ponao aho, Andriamanitra ô.

Noho ianao no ilonjoako latsa
sy mahasafo-kenatra ny tavako
ka olon-kafa amin’ny zanak’ineny aho
sy vahiny amin’ireo rahalahiko.

Ny fahasaro-piaroko ny tranonao
no maharìtra ny aiko;
ny latsan’ny mpandatsa anao
no miantefa amiko.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio fa be fitiavana Ianao,
fa marina ny vonjinao.

Valio aho fa soa ny fitiavanao,
todiho fa be ny hatsaram-ponao.
Ny ory mahita ka faly:
Veloma ny aina, ry mpitady ny Tompo,
fa mihaino ny mahantra Andriamanitra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay velona ao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 5, 1. 2-15)

Tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezana.

Ry kristianina havana,
nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao,
tamin’ny olona iray (izany hoe tamin’i Adama),
ary nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza,
saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna.
Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy,
na dia tamin’izay tsy nanao fahotana
toraka ny fandikana nataon’i Adama aza;
ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana,
fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray,
dia i Jesoa Kristy no handraisan’ny olona rehetra
an-kabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)

Aza matahotra izay mamono ny vatana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Apôstôly hoe:

“Aza matahotra ny olona ianareo,
fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina
dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo,
torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana,
fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy
any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory,
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany,
izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 12, 1-10)

Ny fahalemeko ihany no ireharehako.

Ry kristianina havana, mety ve ny mirehareha e?
Tsy mahasoa izany,
nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry
sy ny fanambaràna avy amin’ny Tompo.
Misy olona anankiray fantatro ao amin’i Kristy,
efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay,
nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo;
tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany:
Andriamanitra no mahalala.
Ary fantatro, fa io olona io, na tao amin’ny vatana izany,
na tsy tao amin’ny vatana, tsy fantatro,
Andriamanitra no mahalala,
dia nakarina tany am-Paradisa,
ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon’ny olombelona ambara;
ny amin’io olona io no hireharehako;
fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany.
Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik’adala,
fa ny marina ihany no holazaiko;
nefa hahatam-bava aho,
fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko,
na reny avy amiko.
Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satana hamely tehamaina ahy,
mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko,
fa izao no navaliny ahy:

“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no hiamparan’ny heriko.”

Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 8-9. 10-11. 12-13.

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Ny Anjely milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy!

Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo, tsy orin-tsoa inona!

Avia, rey anaka, mihaino Ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo.
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 24-34)

Aza manahy ny ho ampitso ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa,
fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany,
na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny.
Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Noho izany, izao no ataoko aminareo:
Aza manahy foana ny amin’ny ainareo,
dia izay hohaninareo na hosotroinareo,
na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina,
ary ny tena noho ny fitafiana?
Jereo ny voro-manidina,
fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny,
fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy;
ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza,
no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana?
Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha,
fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;
kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza
dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha
izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso
tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana?
Noho izany aza manahy ianareo manao hoe:
Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay?
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 18. 21b-30)

Tsy hamisavisa zavatra maro aho fa eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Fiangonana.

Ry kristianina havana,
be no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho.
Izay sahin’ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa.
Hebrio va izy ireo? izaho koa;
Israelita va izy? izaho koa;
taranak’i Abrahama va izy? izaho koa;
mpandraharahan’i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho,
eny mihoatra noho izy aho amin’izany,
dia amin’ny fisasarana manan-tombo,
amin’ny tranomaizina manan-tombo,
amin’ny kapoka manan-tombo lavitra,
amin’ny fahafatesana matetika.
Indimy aho, nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy;
intelo nokapohina rotsa-kazo;
indray maka, notoraham-bato;
intelo, vaky sambo;
indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina.
Tany am-pivahiniana imbetsaka,
matetika no saiky nidiran-doza,
dia loza tamin’ny ony,
loza tamin’ny jiolahy,
loza tamin’ny iray firenena amiko,
loza tamin’ny jentily,
loza tao an-tanàna,
loza tany an’efitra,
loza tany amin’ny ranomasina,
loza tamin’ny rahalahy sandoka;
tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina,
tamin’ny fiaretan-tory matetika,
tamin’ny hanoanana aman-ketaheta,
tamin’ny fifadian-kanina matetika,
tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.
Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany,
eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra.
Iza no malemy ka tsy malemy koa aho?
Zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho?
Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 4-5. 6-7

Ny olo-marina esorin’ny Tompo amin’ny ahiahiny rehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay
mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)

Miharia harena ho anareo any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany
izay misy harafesina sy kalalao manimba,
ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
fa miharia harena ho anareo any an-danitra
izay tsy misy harafesina na kalalao manimba,
sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Ny maso no jiron’ny tena:
raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;
fa raha ratsy kosa ny masonao,
dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra,
ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao,
fahamaizinana manao ahoana izany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 1-11)

Nitory ny Evanjelin’Andriamanitra maimaim-poana taminareo aho.

Ry kristianina havana,
enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo!
Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo.
Manana fahasaropiaron’Andriamanitra ny aminareo aho,
satria natolotro ho fofombadin’ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy,
mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy,
toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay,
na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo,
na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo,
dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.
Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo?
Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa,
araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra.
Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo,
ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo?
Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho,
mba hoentiko miasa aty aminareo.
Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza,
dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko.
Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo,
ary mbola hotandremako koa aza izany.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy,
marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaïa manontolo izany.
Nahoana àry?
Noho ny tsy fitiavako anareo ve?
Andriamanitra no mahalala.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8

Rariny sy hitsiny ny asan’ny tananao, ry Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy fiamboniana ny vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo,
fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Koa mivavaha toa izao ianareo:

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nankalazaina ny alahady 18 jona 2023 tao amin’ny Masera Notre-Dame du Cénacle - Amparibe, ny andro faha-57 maneran-tany ho an’ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Kristianina miisa 1138 no niroso tamin'ny Sakramentan’ny Fankaherezena tao amin'ny EKAR Distrika Betafo... ♦ Niverina nitarika ny vavaka Angélus, ny Papa François, ny alahady 18 jona 2023...

♦ Tontosa tamin'ny talata teo ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nankalaza ny faha-105 taona niorenan'ny sekoly ny tao amin'ny Lycée Masindahy Antoine Ankadifotsy, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny olomasina mpiaro azy ireo, ny talata teo... ♦ Hotontosaina ny 27 hatramin'ny 29 jona, ho avy izao, ny fiofanana izay fanaon'izy ireo isan-taona, no sady hankalazana ny faha-10 taona nisiany, dia ilay antsoina hoe "Formation à la Spiritualité Ignacienne", na ny FSI...

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-11)

Ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zava-drehetra ilainareo
no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany
araka ny voasoratra hoe:

“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”

Ilay manome ny mpamafy ny voa afafy sy ny hanin-ko haniny,
no hanome anareo koa ny voa afafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
dia hanan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo
sy hahafoy be amin-kitsim-po,
ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 9

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao,
ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa hataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany,
dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao
tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ary raha mivavaka ianareo,
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha hivavaka,
dia midira ao amin’ny efitranonao,
ka rahefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina,
dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...