Vakiteny voalohany

Taratasy voalohany nosoratan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 3-9)

Rahefa voazaha toetra ny finoanareo, dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.

Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho an’ny famonjena,
izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.

Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa dia mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja izany,
amin’ny andro isehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo
na dia mbola tsy mibanjina Azy aza izao;
izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 5-6. 9-10d

Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay ny Tompo.

Deraiko amin’ny foko tontolo ny Tompo,
anatrehan’ireo olo-marina,
ao anivon’ny Fiangonam-beny.
Lehibe manko ny asan’ny Tompo.

Mitsimbina, eny, miantra ny Tompo,
ka omeny sakafo ny olona,
dia ireo olona mino ny Tompo
nananganany ilay fanekena.

Nasehony koa ny herin’ny Tompo,
anatrehan’ireo izay voafidy.
Ka ny lova omeny azy ireo
dia ny lovan’ireo firenena.

Nandray famonjena ny olom-boafidy,
fanekem-baovao no iorenany
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny, masina manko ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

Amidio ny fanananao, dia avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”

Dia hoy ny navaliny Azy:

“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.”

Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:

“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”

Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:

“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza àry no mety ho voavonjy?”

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:

“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...