Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 10-16)

Ny famonjena no zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.

Ry kristianina havana,
raha ny amin’ny famonjena ny fanahy
dia zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany
izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.
Nohadihadìn’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny,
ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy
sy ny voninahitra hanaraka izany.
Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy
dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo;
ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny,
tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra,
no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irìn’ny Anjely hojerena.

Koa amin’izany,
sikino ny andilam-panahinareo, ka mahonòna tena,
ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy
no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Aoka ho zanaka manaiky ianareo,
ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony,
toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa,
amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe:
Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3d-4

Hitan’ny firenena ny famonjen’ny Tompo.

Ihirao antsavao ny Tompo,
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!

Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany!
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika.

He! zahao e, ry vazan-zany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo
ka mientàna amin-karavoana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

Hahazo zato heny ianareo amin’itý fiainana itý, na dia anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

Tamin’izany andro izany,
i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.”

Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý,
dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.
Fa maro amin’izay farany no ho voalohany,
ary amin’izay voalohany no ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...