17 aprily 2023 — Alatsinainy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 1-8)
16 aprily 2023 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady faharoa fankalazana ny Paka — Taona A — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 42-47)
Nazoto ireo mpino tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana,
ary tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra.
Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema,
ka raiki-tahotra ny olona rehetra.
Niray toerana ny mpino rehetra,
dia niombonany ny fananany rehetra,
sy namidiny ny taniny sy ny fananany,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra,
araka izay nilainy avy.
Nazoto niaranankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra,
sy namaky mofo tany an-tranony
ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,
niarani-dera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra.
Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo ny olom-bonjena.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Sal. 117, 24. 13-15. 22-24)
Valion’i Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Naronjiny aho mba ho lavo;
ny Tompo kosa namonjy ahy.
Ny Tompo no heriko sy tanjako;
izy no Mpamonjy ahy.
Injao hobin-kafaliana manakoako
ao amin’ny fonenan’ny olo-marina;
hoy ny antso fandresena:
Ny tanan’ny Tompo naneho hery.
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 3-9)
Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray,
araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba,
tsy misy pentina,
tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana,
ho amin’ny famonjena izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorian’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo
izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany
na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany,
amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo,
na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy;
izany no iontanan’ny fonareo
amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i MAsindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra,
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy
no anirahako anareo koa”.
Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.
Fa i Tômà, ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:
“Efa nahita ny Tompo izahay”.
Fa hoy izy tamin’ireo:
“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.
Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany
sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa,
nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Ary hoy Izy tamin’i Tômà:
“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao, ka atehafo eto amin’ny tratrako,
dia minoa, fa aza malain-kino”.
Dia namaly i Tômà ka nanao hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro!”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Nino ianao, ry Tômà,
satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.
Maro koa ny fahagagana nataon’i Jesoa
teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo
fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra,
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany,
amin’ny finoana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notanterahana androany ao Morondava, ny Kôngresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara, any Menabe. Nihaona tamin'ny mpitarika ny antoko omaly, ny Filoha mpanorina ny TIM, Marc Ravalomanana... ♦ Mihatra manomboka androany ny fandaminana vaovao ao amin'ny sampana misahana ny fanomezana Pasipaoro... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany, tao amin'ny Distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny, ny tetikasa hamehana hanamafisana ny famokarana sakafo eto Madagasikara ny PUPRA. Faritra 18 no misitraka ny tetikasa...
♦ Nidina ifotony nandamina ny olan'ny lavanila, tany amin'ny Faritra Sava, ny Filohan'ny Repoblika. Nambaran'Andriamatoa Andry Rajoelina, fa tsy mivadika amin'ny fitokisan'ny vahoaka any Sava izy... ♦ Hanolotra tolo-dalàna eny amin'ny Antenimiera mpanao lalàna hankatoavana ireo "Kibouches", atsy amin'ny nosy Mayotte, ho foko malagasy faha-19, ny fiarahamonim-pirenena Mijoro Mandroso... ♦ Manaitra ny tompon'andraikitra samihafa ny fikambanana iray manara-maso ny tanora, fa mitombo izay tsy izy ny famonoan-tenan'ny tanora, tao anatin'ny iray volana. Maro ny antony manosika azy ireo hamono tena, araka ny fanadihadiana natao, hoy ity fikambanana ity...
♦ Homarihana amin'ny alalan'ny pelerinazy diôseziana ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny faha-5 taona nanandratana ho olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa. Efa nanomboka androany ny fandaharam-potoana momba izany... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizin'ny lalana i Madagasikara omaly. Ny herisetra mianjady aminy any an-tokantrano na ny tsy fahampiana anivon'ny ankohonana no manosika azy ireo hirenireny an-dalambe... ♦ Hoampahafantarina ny daholo be mandritra ny hetsika FIARA ZO hanomboka ny 26 avrily 2023 izao ny lalàna sy ny zo amin'ny maha olom-pirenena...
Zava-mitranga amin'ny fiainan'ny olombelona ny fiankinan-doha. Mety ho vokatry ny tarazo, fahabangana niainana teo aloha ka itadiavana fomba hamenoana azy, tsy fahampiana amin'ny lafiny maro indrindra ny fitiavana, fahadisoam-panantenana no mety ho antony mahatonga izany. Zava-dehibe noho izany ny fifanampiana eo anivon'ny tokantrano ahafahana misoroka sy miala amin'ny fiankinan-doha mety mahazo ny olona iray, toy ny fankaherezana azy, fanomezan-danja azy, fanampiana azy hankafy ny tenany sy hahalala ny fahamendrehany, fampandraisana andraikitra azy ary ny fahatokisana omena azy sy azony avy amin'ireo akaiky azy. Miaraka amin'izany rehetra izany ny vavaka. Fandaharana "miaina sy mitia"
Tranga manokana miseho amin'ny vehivavy ny fadimbolana. Manana dikany telo lehibe izy : voalohany, tonga amin'ny fahamaotiana ny zazavavy ; faharoa, manaporofo fa tsy nitoe-jaza ilay vehivavy ; ary fahatelo, manomboka indray ny tsinjerina vaovao. Fandaharana "miaina sy mitia"
Manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra isika araka ny làlana sy ny traikefa ary ny sedra diavintsika tsirairay avy. Manana drafi-pitiavana ho ahy eto an-tany Andriamanitra, tsy misy kisendrasendra izany. Ny zava-drehetra dia nalahatr’Andriamanitra avokoa, ary ny faniriany ho antsika dia ny fiainana anatin’ny fahafenoana. Miantso ny olombelona hitady Azy Andriamanitra, hahafantatra Azy sy ho tia Azy. Tanora mandalo sedra sy fitsapana aho fa tsapako “fa sarobidy eo imason’Andriamanitra aho ary tonga eto (an-tany) aho ho amin’ny iraka manokana anirahany ahy”. Fandaharana "miaina sy mitia"
Toy ny isan-taona dia mikarakara ny antsoina hoe “Andro Sosialy” ny Asam-pamonjena sosialy sy ekolojika izay tantanan’ny Fikambanan’I Jesoa eto Madagasikara, mba ijerena akaiky sy itadiavana vahaolana manoloana ireo olana diavin’ny fiarahamonina. Araka ny lohahevitra dia hiresaka mahakasika ny fifidianana ity hetsika lehibe ity. Ny tanjona dia (i) ny hisoroka izay fifandirana ahiana hiseho na amin’ny lafiny ara-politika izany na amin’ny lafiny hafa toy ny firohotana isan-karazany na ny fikambanana ara-tsosialy, ka hisongadina ao anatin’izany ny firesahana ny etika sy ny moraly tokony ananana amin’ny andraikitra ara-politika... Fandaharana "miaina sy mitia"
Ilàna finiavana sy fahaizana ny mifanakalo hevitra. Manatsara ny fifandraisana eo amin’ny mpivady izany satria ny fifanakalozan-kevitra no ahafahan’ny andaniny sy ny ankilany mifankafantatra, mifankahazo, mifampatoky bebe kokoa hatrany. Ny fifanakalozan-kevitra ihany koa no ahafahana mifampizara ny fihetseham-po sy mifehy izany. Fifanakalozana mivantana, misy hafanana sy hafaliana no entanina araka izay azo atao. Eto dia manamafy ny fomba fiteny Malagasy : “Mpifankatia tsy mifaramafara hono, very ny androtokom-pitiavany, ady no farany”. Fandaharana "miaina sy mitia"
Napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny zavaboahary mahagaga aho. Ny olombelona no zavaboahary tsara indrindra nataon’Andriamanitra. Isan’izany aho sy ireo olona manodidina ahy : izay no antsoina hoe fiaraha-monina. Faly aho fa manana ny toerako eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Manana adidy aho manoloana izany: manatsara azy, mikajy ny soa iombonana, mandray andraikitra, mibe sy manabe ny hafa, ho modely ho an’ireo tanora namako. Fandaharana "miaina sy mitia"
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco