Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 8, 1-9)

Tonga mahantra i Kristy noho ny aminareo.

Ry kristianina havana, mampandre anareo izahay,
fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.
Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy,
dia feno hafaliana izy ireo;
ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy,
dia nahafoy harena be tamin-katsaram-po izy.
Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany,
eny mihoatra noho izay zakany aza,
fa niangavy mafy taminay izy
mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.
Koa sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin’ny Tompo aloha,
vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no niangavianay an’i Tito
mba hanatanteraka izany fahasoavana izany aty aminareo,
noho izy efa hanomboka izany rahateo.
Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra,
dia amin’ny finoana, amin’ny teny,
amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona,
ary amin’ny fitiavana anay,
no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Tsy didy omeko anefa izany,
fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany
hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo,
mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 5-6. 7. 8-9a.

Midera ny Tompo aho raha mbola velona aina.

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba;
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.

Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny!
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo Mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)


Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 6, 1-10)

Aoka isika hitondra tena toy ny mpandraharahan’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
noho izahay mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana
ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy:

“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho,
ary tamin’ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”;

indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena
sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay,
mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay
araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra:
dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana,
amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka,
amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana,
amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy,
ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina,
ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana,
na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
na omem-boninahitra na alam-baràka,
na ratsy laza na tsara laza;
honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina;
ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona;
ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva;
ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro;
ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Nanambara ny famonjeny ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 19, 2-6a)

Ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny efitr’i Sinaia ny zanak’i Israely,
dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy,
dia nantsoin’ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe:

“Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba
sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta
sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery
ary ny nitarihako anareo ho aty amiko.
Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo
sy mitandrina ny fanekeko,
dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra,
satria Ahy ihany ny tany rehetra,
fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 99, 2. 3. 5.

Isika no vahoaka sy ondry fiandriny.

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.

Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 6-11)


Fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao.

Ry kristianina havana,
fony mbola tsy nanankery isika,
dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy,
mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina;
ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.
Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika:
fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy;
koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao,
dia tsy maintsy afany amin’ny hatezerana mihitsy.
Satria raha fony mbola fahavalo aza isika
nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany,
mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy
noho ny fahavelomany tokoa.
Tsy izany ihany koa,
fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo:
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)

Niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be
nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy,
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera,
dia Andre rahalahiny,
Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny,
Filipo sy Bartelemy,
Tômà sy Matio ilay poblikanina,
Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,
Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay hirahin’i Jesoa
rehefa nohafatrafarany hoe:

“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
‘Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra’.
Sitrano ny marary,
atsangano ny maty,
diovy ny boka,
roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...

Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diôsezy io. Notendren’i Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diôsezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava ankehitriny sady Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.

♦ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny katesizy ho an’ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra ny tombana nataon’ny pretra mpanolotra fandaharana eto amin’ny Radio Don Bosco ny talata 6 jona 2023... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona 2023 ny asan'ny Papa François, noho ny antony ara-pahasalamana... ♦ Manentana ny mpino hivavaka ho an’ny famongorona ny fampijaliana, ny Papa François amin’ity volana jona ity...

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 7, 6-11)

Andriamanitra nifidy anareo noho ny fitiavany anareo.

Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao.
Ianao no nofidin’ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana,
eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.
Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa,
no niraiketan’ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo;
vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;
fa noho ny fitiavany anareo,
sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo,
dia nentin’ny Tompo nivoaka, tamin’ny tanana mahery,
sy navotany tamin’ny fanandevozana ianareo,
dia tamin’ny tanan’i Faraona mpanjakan’i Ejipta.

Koa aoka ho fantatrao àry, fa ny Tompo Andriamanitrao no Andriamanitra,
dia Andriamanitra tsy mivadika,
fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po,
hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Fa mamaly an-kitsirano kosa an’izay mankahala Azy, amin’ny fandringanana azy;
tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy,
fa hovaliany an-kitsirano izao.
Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio,
ka tanteraho izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7. 8 sy 10

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay namela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Ny Tompo mpanome rariny:
izay ampahoriana omeny hitsiny.
i Môizy nanehoany ireo fikasàny;
ny zanak’i Israely, ireo asany ambony.

Mpamidra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-16)

Tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha.

Ry hava-malala,
aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
Ry hava-malala,
raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.

Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa:

“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara izany tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 3, 15 — 4, 1. 3-6)

Andriamanitra no manazava ny fonay mba hampazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, mandraka ankehitriny,
isaky ny vakìna ny tenin’i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon’ny zanak’i Israely.
Fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona.
Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo;
ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.
Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava,
fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra;
sady ovan’Izy Tompo izay Fanahy,
handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany,
araka ny famindram-po natao taminay.
Matoa misy miafina ny Evanjelinay,
dia amin’izay manary tena no iafenany,
izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao
mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy,
izay endrik’Andriamanitra.
Fa tsy ny tenanay no torìnay, fa i Jesoa Kristy Tompontsika,
ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.
Satria Andriamanitra izay mandidy hoe:
“aoka ny mazava hiposaka ao amin’ny maizina”,
no manazava ny fonay,
mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra,
izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Honina amin’ny tanintsika ny voninahitry ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo.
Mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany etý amintsika.

Koa indro mihaona tokoa
ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany.
Ny hitsiny hita mitsiry amy tany.

Mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny raviny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo.
Izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 3, 4-11)

Nataony mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao izahay, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin’ny alalan’i Kristy.
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay;
Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampianay,
Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao,
tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa,
fa mpandraharaha amin’ny fanahy,
satria ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona.
Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra,
ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely,
noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,
tsy mainka va ny fandraharaham-panahy no hodidinim-boninahitra?
Eny, raha ny fandraharana ny fanamelohana aza nisy voninahitra,
dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana;
ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an’ilay voalohany,
raha oharina amin’ny an’ity ankehitriny ambony lavitra.
Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 98, 5. 6-7. 8. 9

Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato
Andriamanitra Tompo.
Ny fitoeran’ny tongony ihohofy.
Fa satria Izy Masina indrindra.

I Samoela, i Môizy, i Aarôna, raha niantso dia novaliany,
tao anaty andry rahona fotsy.
Ka mitandrina izay nolazainy,
sy nandray ny lalàna nomeny.

Eny, ry Andriamanitra Tompo,
novalianao tokoa izy ireo.
Lefitrao izay rehetra nataony;
faizinao kosa ireo hadisoany.

Asandrato Andriamanitra Tompo,
ka ny Vohitra masiny ihohofy!
Fa satria Izy masina indrindra,
asandrato ny Tompo Mpamonjy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray
na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 18-22)

Tsy nisy “eny” sy “tsia” ao amin’i Jesoa, fa “eny” ihany no tao aminy.

Ry kristianina havana,
araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra
no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo.
Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa
izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo
tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra,
dia tao amin’i Jesoa ihany ny “eny”,
ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana “Amen”
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy,
fa Andriamanitra izay naha-voahosotra antsika,
sy nanisy tombo-kase antsika koa,
ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 129-130. 131-132. 133 sy 135

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo.

Tantely mandriaka ny Fanambarànao:
Izany no itandreman’ny fanahiko azy!
Vavahady mazava ny Teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny Baikonao no mahaliana ahy!
Todiho aho ka iantrao
araka ny fanaonao amin’izay tia ny Anaranao!

Araka ny Teninao, hamafiso ny famindrako;
aoka tsy hisy faharatsiana hizaka ahy!
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao;
ampianaro ahy ny Fitsaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao,
ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 1-7)

Nanafaka alahelo anay ny Tompo mba hahazoanay manala alahelo ny tra-pahoriana rehetra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Timôte rahalahiny,
mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Kôrinto,
mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia manontolo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Hisaorana anie Andriamanitra,
Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Rain’ny famindram-po
ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
izay manafaka alahelo anay amin’ny fahoriana rehetra,
mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra
amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay
no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa.
Raha azom-pahoriana izahay
dia fanalana alahelo sy famonjena anareo izany;
ary raha alana alahelo izahay,
dia ho fanalana alahelo anareo koa izany,
fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.
Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo,
satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana
no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-9

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fisaorana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Sambatra izay mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa,
dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra,
satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 8, 2-3. 14b-16a)

Nanome hanina izay tsy fantatrao sy ny razanao ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Tsarovy ireo lalana rehetra
izay nasain’ny Tompo Andriamanitrao nandehananao tany an’efitra,
nandritra ny efapolo taona izao,
mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao,
dia hahalalany izay hevitra ao am-ponao,
na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Nampietry tena anao Izy, sy namela anao ho noana,
ary namahana anao tamin’ny mana,
izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao,
mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa izay rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.
Aza hadinoina ny Tompo Andriamanitrao,
Izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta,
tamin’ny trano fanandevozana.
Izay nitondra anao tany an’efitra lehibe sy mahatahotra,
misy bibilava mivaivay sy maingoka,
amin’ny fitoerana ngazana sy tsy misy rano;
Izay nampiboiboika rano ho anao avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,
Izay nanome mana hohaninao tany an’efitra,
dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 147, 12-13. 14-15. 19. 20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema;
derao ny Andriamanitrao, ry Siôna:
fa ny vavahadinao ataony tsara hidy,
ny zanakao anivonao tahìny.

Ny faritaninao fenoiny fiadanana,
izaitratra sy fy ny vary omeny anao.
Alefany eto an-tany ny teniny,
ka miriotra mitety ny tontolo.

Nambarany tamin’i Jakôba ny teniny,
tamin’i Israely ny didy aman-tsatany:
tsy nanaovany izany ireo hafa firenena,
ny satany tsy mba nasehony an’ireny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 16-17)

Iray ihany ny Mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza.

Ry kristianina havana,
moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika,
tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va?
Ary moa ny mofo izay vakìntsika,
tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?
Satria iray ihany ny Mofo,
ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza,
fa Mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna,
Hobio sy antsao ny Kiadinao
sy Mpifehy anao.

Mikezaha araka izay tratry ny ainao,
satria ambony noho ny dera rehetra Izy,
ka tsy ampy hidera Azy ianao.

Ny deraintsika anio indrindra
dia ilay Mofo velona,
ilay Mofo manome aina.

Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo
araka ny efa fantatsika,
tamin’ilay Fanasana farany.

Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika
ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino,
aoka ny hafaliantsika ho tsara.

Satria ilay andro malaza
namoronana io Fanasana masina io
no deraintsika anio izao.

Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany
dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao
no misolo ny Paka taloha.

Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha;
ny marina mampisava ny aloka,
ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.

Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva
dia nodidiany hatao
ho fahatsiarovana Azy.

Ny nataony no arahinay
ka dia manamasina ny mofo sy ny divay
hanjary ho sorom-pamonjena izahay.

Teny finoana ho an’ny kristianina
no ahatongavan’ny mofo ho Nofo,
sy ny divay ho Ra.

Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao
dia ampiaiken’ny finoana velona,
na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.

Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa
endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony
no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.

Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro,
fa ny endrika roa dia samy misy
ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.

Tsy tapaka izy, tsy mivaky,
tsy saratsarahin’ny mpandray
fa raisina manontolo.

Na olona iray na olona arivo no mandray
dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray
mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.

Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy
fa tsy mitovy izay anjarany:
na ho fiainana izany na ho fahafatesana.

Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy,
ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy:
endrey ity tsy fitoviam-bokatra
nefa hanina iray ihany no hanina!

Ilay vakìna iny ny endrika
dia aza misalasala ianao fa tsarovy
fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky;
dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.

Ny Tena izay takon’ny endrika
dia tsy vaky akory;
ilay endrika hita maso ihany no motika
fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

Indro Ilay Mofon’ny Anjely
manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny:
tena sakafon’ny zanaka tokoa
ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.

Efa voatandindona fahiny izy,
na tamin’i Isaaka natao sorona,
na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka,
na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona,
mamindrà fo aminay,
aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay,
ary aoka Ianao hampahita anay ny soa
any amin’ny tanin’ny Velona.

Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra,
ka mamahana anay eto an-tany;
koa eto izahay miara-misakafo aminao,
ka dia tongavy ho mpiray lova,
sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo;
izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:

“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’Ilay io ahoana àry
no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo,
sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy,
Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no Mofo nidina avy any an-danitra:
tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...