Boky Eksaody (Eks. 2, 1-15a)
Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon’i Levi,
lasa naka ho vadiny ny zanakavavin’i Levi anankiray.
Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy.
Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana.
Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray,
nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza,
ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.
Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny
mba hahita izay hihatra aminy.
Dia nidina handro teo amin’ny ony ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony ny zazavavy namany.
Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata,
dia nasainy nalain’ilay ankizivaviny.
Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany,
dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe:
“Zanaky ny Hebrio itony!”
Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe:
“Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza
amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?”
Ary hoy ity zanakavavin’i Faraôna:
“Mandehàna.”
Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza.
Ary hoy ny zanakavavin’i Faraôna taminy:
“Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy,
fa homeko anao ny karamanao.”
Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
Nony efa lehibe ny zaza,
dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nataony toy ny zanany sy nomeny anarana hoe Môizy,
fa teo amin’ny rano no nanalako azy, hoy izy.
Tamin’izany andro izany, efa lehibe i Môizy,
ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny;
nahita ny asa mafy nataony izy,
ary nisy Ejipsianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny.
Niherikerika nijery izy aloha,
ka nony fantany fa tsy nisy olona teny dia novonoiny ilay Ejipsianina
ka nafeniny tao anaty fasika.
Ny ampitson’izay indray, nivoaka izy,
ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy,
ary hoy izy tamin’ilay diso hoe:
“Ahoana no ikapohanao ny namanao?”
Fa hoy ny navalin-dralehilahy:
“Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay?
Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho,
tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejipsianina?”
Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy:
“Misy mahalala tokoa ilay zava-nitranga!”
Nony ren’i Faraôna ny zava-nitranga,
dia notadiaviny hovonoina i Môizy,
saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy,
ka nankany amin’ny tany Madiàna.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 68, 3. 14. 30-31. 33-34
Revon’ny fotaky ny hantsana aho:
tsy mahita hifaharana;
tonga amin’ny lalina indrindra:
safotry ny onja.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao,
sy araka ny fahamarinan’ny vonjinao.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:
“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna
noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma,
hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao
fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody Eks. (1, 8-14. 22)
Tamin’izany andro izany, nisy mpanjaka vaovao,
tsy nahalala an’i Jôsefa, nanjaka tany Ejipta.
Hoy izy tamin’ny vahoakany:
“Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto ny zanak’i Israely.
Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy;
ary raha misy ady tonga tampoka,
dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy,
dia hivoaka hiala amin’ny tany.”
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy,
mba hamoritra azy amin’ny asa mafy;
izany no nahavitana tanàna natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna,
dia Pitaoma sy Ramsesa.
Kanjo, araka ny namoretana azy vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa,
ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.
Nampiasain’ny Ejipsianina an-tery vozona ny zanak’i Israely
nampangidìny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy,
dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra,
izay asa nanereny azy tamin-kalozàna.
Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
“Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra
fa ny zazavavy avelao ho velona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika,
lazao re, ry Israely!
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsapazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.
Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny.
Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato, ka afaka isika!
Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko
ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:
“Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho;
tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;
fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy,
sy ny zanakavavy amin’ny reniny,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina,
dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”
Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo,
dia niala teo Izy,
ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 10-11)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra tsy miverina any,
raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako;
tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 64, 10abde. 10-11. 12-13. 14
Mamangy ny tany Ianao, ry Tompo,
manondraka azy amin’ora-mikija,
dibaka ny onin’Andriamanitra:
manomana vary ho anay manko Ianao!
Voakolokolonao ny tany:
ny soritr’asa ataonao ampoka,
ny bainga motehinao sy arovanao,
tahìnao indrindra ny tsirim-bary.
Dia ny faraòrana no toy ny fehiloha
izay asatrokao ny taona.
Ka fitahiana mitafotafo
no amin’izay nandalovanao!
Ny ahitra an-tanety, maitso mavana.
Ny tanim-bilona, rakotra ondry aman’osy,
ny vary, miavosa eny an-dohasaha;
ka manakoako ny hira sy ny hoby!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-23)
Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafina be ihany ny zava-boaary rehetra,
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompon’ny zava-poana,
tsy araka ny nàhiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika, fa mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio Mt. 13, 1-23
Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:
“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsaka lalina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.
Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe:
“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”
Namaly Izy ka nanao taminy hoe:
“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny Fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahalala;
ka tanteraka aminy ilay fanoharan’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy,
ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny,
ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko’.
Fa ianareo kosa,
sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita,
ary handre ny renareo fa tsy nandre.
Ka henoy àry ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay nafafy tao am-pony:
dia izay no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay nandre ny teny sy nandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorina mafy izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay nandre ny teny,
fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena,
mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no ilay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio Mt. 13, 1-9
Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:
“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsaka lalina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Anisan'ireo hapetraka amin'ny toerana maha Kardinaly azy amin'ny 30 septambra 2023, ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina maneran-tany, i P Ángel Fernández Artime... ♦ Tontosa omaly ny fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay nitantana ny Arsidiôsezin'Antananarivo nandritra ny 18 taona...
Boky Jenezy (Jen. 49, 29-33 ; 50, 15-24)
Tamin’izany andro izany,
dia izao no hafatra napetrak’i Jakôba tamin-janany:
“Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako,
anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna, Heteanina;
anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana;
dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha, tamin’i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy.
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.
Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny.
Ary tao no nandevenako an’i Leà.
Tamin’ny taranak’i Heta no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.”
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba,
navonkony teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy;
ka voaangona any amin’ny razany.
Rahefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty rainy dia hoy izy:
“Sao dia anaovan’i Jôsefa fo lentika isika,
ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.”
Koa nampilaza tamin’i Jôsefa izy nanao hoe:
“Nanafatra rainao talohan’ny nahafatesany, nanao hoe:
Izao no holazainareo amin’i Josefa:
‘Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao,
fa nahavita ratsy taminao izy.
Nefa mifona aminao aho ankehitriny,
avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.’”
Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.
Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe:
“Mpanomponao izahay.”
Fa hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Aoka tsy hanan-tahotra ianareo;
fa moa solon’Andriamanitra va aho?
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo;
fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra
mba hahatanteraka izao hita anio izao,
mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo,
na ny tenanareo na ny zanakareo aho.”
Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Ka dia nonina tany Ejipta i Jôsefa, izy sy ny ankohonan-drainy.
Folo amby zato taona no andro niainany.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy.
Ary nisy koa zanak’i Makira, zanak’i Manase izay teraka
ka noraisin’i Jôsefa teo ampofoany.
Ary hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
“Izaho itý ho faty;
nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa
sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý
ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7
Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Mihirà ho Azy; mankalazà Azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Mireharehà amin’ny Anarany masina:
hiravoravo anie ny fon’izay mitady ny Tompo.
Mitadiava ny Tompo sy ny heriny:
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.
Izy no Tompo Andriamanitsika;
mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 46, 1-7. 28-30)
Tamin’izany andro izany,
niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany.
Nony tonga teo Bersabea izy,
dia nanolotra sorona tamin’Andriamanitr’i Isaaka rainy.
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe:
“Ry Jakôba! Ry Jakôba!”
Ka hoy ny navalin’i Israely:
“Intý aho.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao.
Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.
Izaho hiara-midina aminao any Ejipta.
Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any,
ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao.”
Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea;
ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vady aman-janany,
teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.
Nentiny koa ny biby fiompy sy ny fananany nohariany tany amin’ny tany Kanaana.
Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.
Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy,
sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.
Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Jôsefa,
hanomana ny hahatongavany any Gesena.
Rahefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany,
dia nampamboatra ny kalesiny i Jôsefa
ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena.
Niseho taminy izy, dia niantoraka namihina ny vozony,
sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
Ary hoy i Israely tamin’i Jôsefa:
“Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao,
fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny andro,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy
noho izy ireo mifefy aminy!
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao,
raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mba malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mba tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo,
dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo,
fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany,
ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 44, 18-21. 23b-29 ; 45, 1-5)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jôsefa i Jodà ka nanao taminy hoe:
“Mihanta aminao aho, tompokolahy,
mba hahazo lalana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan’ny tompoko,
ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao,
fa sahala amin’i Faraôna ianao.
Ny tompo lahiko nanontany ny mpanompony hoe:
‘Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?’
Ary izao no navalinay ny tompoko:
‘Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany;
nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty,
dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.’
Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe:
‘Ento midina atý amiko izy mba ho hitan’ny masoko.
Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.’Koa rahefa tafakatra tany amin’ikaky mpanomponao izahay,
dia nambaranay azy ny tenin’ny tompoko.
Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe:
‘Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika’,
dia izao no navalinay:
‘Tsy mahazo midina izahay;
fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay;
satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay,
raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.’
Ka hoy ikaky mpanomponao taminay:
‘Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko;
ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe:
tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.
Ary itý iray raha alainareo koa, ka mahita loza any,
dia hampidirinareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo ny voloko fotsy.’"
Dia tsy nahatsindry fo intsony i Jôsefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe:
“Avoahy avokoa ny olona rehetra!”
Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy,
raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.
Nanandra-peo izy nitomany,
ka ren’ny Ejipsianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.
Hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny:
“Izaho no i Jôsefa.
Mbola velona ihany va ikaky?”
Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny,
fa very saina loatra teo anatrehany.
Ary i Jôsefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe:
“Manatòna eto amiko ianareo.”
Dia nanatona izy, ka hoy izy:
“Izaho no i Jôsefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta.
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo,
noho ny nivarotanareo ahy ho atý,
fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21
Niantso mosary hamely ny tany Izy;
notapahiny ny hanina izay tohan’aina.
Naniraka olona hialoha azy ireo Izy:
i Jôsefa namidy ho andevo.
Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony,
nogadrana vy izy,
mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha,
izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.
Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka;
nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy.
Dia natsangany ho tompon’ny tranony,
sy ho mpanapaka ny taniny rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:
“Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.
Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo,
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina,
fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo,
dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao,
ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe:
‘Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana’;
ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano,
dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo;
fa raha tsy mendrika kosa izy,
dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo,
dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany,
ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa
ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana
noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a)
Tamin’izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra,
ka nitaraina tamin’ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina.
Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejipsianina rehetra:
“Mankanesa any amin’i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.”
Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary,
novohan’i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany,
ary nivarotra tamin’ny Ejipsianina izy;
ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.
Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Jôsefa,
fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.
Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely,
ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
I Jôsefa no manam-pahefana nitantana ny tany,
ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra.
Nony tonga ny rahalahin’i Jôsefa dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
Vao nahita ireo rahalahiny i Jôsefa dia nahalala azy;
nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy.
Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.
Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho:
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo,
hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo,
ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Koa ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy;
dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”
Dia nataony izany.
Ary nifampilaza izy nanao hoe:
“Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika;
fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika,
tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika
ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.”
Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe:
“Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe:
Aza manota amin’ny zaza?
Nefa tsy nohenoinareo akory izany;
koa indro arahina amintsika izao ny rany.”
Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Jôsefa,
satria mpandika teny no niresahany taminy.
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera,
dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Tomà sy i Matio ilay poblikanina,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade,
i Simôna ilay Kananeanina,
ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa
rahefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily,
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
♦ Hotanterahana eny amin'ny kianja Soamandrakizay ny alahady 09 jolay 2023 ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Rzanakolona, Arsevekan'Antananarivo nandritra ny 18 taona... ♦ Nanentana ireo ao anatin'ny tokantrano imaso hiroso amin'ny sakramentan'ny fanambadiana ny Vaomieran'ny Fianakaviana ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Hitsidika an'i Mongolie ny 31 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2023 ny Papa François...
Boky Jenezy (Jen. 32, 22-32)
Tamin’izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba,
nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy
ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy:
dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
Nalainy ireo,
nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo,
ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy,
mandra-pahazavaratsin’ny andro.
Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy,
dia ny famavàn’ny feny no notendreny
ka nivika terý ny foto-pen’i Jakôba
nandritra ny nitolomany taminy.
Dia hoy izy tamin’i Jakôba:
“Avelao aho handeha,
fa efa hazava ratsy ity ny andro.”
Fa hoy i Jakôba:
“Tsy avelako handeha ianao,
raha tsy efa nitso-drano ahy.”
Dia hoy izy taminy:
“Iza no anaranao?”
Ary novaliany hoe:
“Jakôba.”
Ka hoy izy:
“Tsy hatao hoe i Jakôba intsony ny anaranao,
fa hatao hoe i Israely,
satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.”
Dia nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe:
“Masìna ianao,
mba ampahalalao ahy kely ny anaranao.”
Fa hoy izy:
“Ahoana no anontanianao ny anarako?”
Dia nitso-drano azy teo izy.
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy:
“Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho,
nefa velona ihany ny aiko.”
Nony niala teo Fanoely izy,
dia indro hitany niposaka ny masoandro;
nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely
ny hozatra lehibe ao amin’ny famavàn’ny fe mandraka androany,
dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavàn’ny fen’i Jakôba
teo amin’ny hozatra lehibe.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 16, 1. 2-3. 6-7. 8b sy 15
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ekeo re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy;
ny masonao mahità ny hitsiny.
Savao ny foko; tampohy alina aho;
manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao!
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho;
mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Tamin’izany andro izany,
indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray
sady moana no azon’ny demony.
Ary nony voaroaka ny demony,
dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe:
“Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.”
Fa ny Farisianina kosa nanao hoe:
“Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.”
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 28, 10-22a)
Tamin’izany andro izany,
niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.
Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro.
Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana,
dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany.
Ary nanonofy izy,
ka indro nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany
tafapaka amin’ny lanitra ny lohany;
ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Ary niseho terý ambony ny Tompo ka nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitr’i Abrahama, rainao,
sy Andriamanitr’i Isaaka;
io tany andrianao io dia homeko anao sy ny taranakao.
Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao;
hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo;
ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Indro aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra,
sy hampody anao indray amin’ity tany ity.
Fa tsy handao anao Aho,
mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.”
Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe:
“Eto amin’ity toerana ity tokoa ny Tompo,
fa izaho tsy nahalala izany.”
Dia raiki-tahotra izy ka nanohy hoe:
“Endrey! mahatahotra ity fitoerana ity!
Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra,
eto ny vavahadin’ny lanitra!”
Nifoha maraina koa izy dia nalainy ilay vato nataony ondana,
naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io.
Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy:
“Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao,
raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako,
ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho,
dia ny Tompo no ho Andriamanitro.
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 90, 1-2. 3-4. 14-15ab
‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo.
Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo.
O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho,
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amin’ny fandrika mandavo.
Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko.
Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.
Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly.
Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana.
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa,
dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy,
ka nanao hoe:
“Tompoko,
maty vao izao ny zanako vavy,
ka andeha re hametraka ny tananao aminy,
dia ho velona izy.”
Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona,
nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
fa hoy izy anakampony:
“Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe:
“Matokia, anaka,
ny finoanao no nahasitrana anao.”
Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa
ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba,
dia nanao hoe:
“Mialà ianareo,
fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehezan’ireo Izy.
Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy,
ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco