Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.

Teraka ny 24 mars 1969 tany Mahajanga i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. Nobeazina tao anatin’ny fianakaviana votom-pinoana izy. Tao Mitsinjo Mahajanga izy no nanomboka ny sekoly fanabeazana fototra ary nanohy izany tany Antsirabe. Avy eo, nanohy ny sekoly Ambaratonga voalohany sy faharoa tao Ambohimangakely sy Lycée Jules Ferry Antananarivo.

Tao aorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana Bakalorea no niditra tao amin’ny seminera Zandriny Ambohipo izy. Ny taona 1991 izy no noraisin’ny Seminera propédeutique, Ambohipo ary herintaona tao aorian’izay no nanomboka nandalina ny filôzôfia tao amin’ny Seminera zokiny tao Antsirabe. Avy eo nanao ny fianarana asa na ny “stage de régence” tao amin’ny Seminera aivo Amboara Ambohidratrimo ny taona 1995-1997.

Ny taona 1997 no nanomboka nandalina ny teôlôjia ka izy ireo no nanokatra ny Seminera zokiny fandalinana Teôlôjia Faliarivo - Antananarivo.
Nanao ny asa fanompoana nandritra ny naha diakra tao amin’ny Fivondronana Eokaristikan’ny tanora - Diosezin’Antananarivo izy ary nohamasinina ho pretra ny 05 aogositra 2000.

Maro ny asa fanirahana nankinina taminy : vao avy nohamasinina ho pretra izy dia notendrena ho vikera sy aomonien’ny Ekipa Kristianina Ankehitriny (EKA) tao amin’ny Paroasy Katedraly Andohalo nandritra ny herintaona, ary aomonien’ny Tanoran’ny Fiangonana Katolika teto amin’ny diosezin’Antananarivo ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2003.

Nanomboka ny taona 2003 izy no nandalina ny Soratra Masina tao amin’ny Institut Pontifical Biblique tao Rome, ary ny taona 2007 no nahazo ny mari-pahaizana Licence canonique momba ny Soratra Masina, tamin’ny fikarohana mitondra ny lohahevitra hoe “Ny Iraka nampanaovina ny Zanaka”, nalaina tao amin’ny Mk 12, 1-12, teo ambany fitarihan’ny Professeur Klemens Stock, zezoita.

Ny taona 2007 ka hatramin’ny 2011, voatendry ho Préfet des Études tao amin’ny Seminera zokiny Antsirabe izy, sady mpampianatra momba ny Soratra Masina sy ny fiteny hebreo sy grika tao amin’ny Seminera zokiny Antsirabe sy Faliarivo ary tao amin’ny Université Catholique de Madagascar. Ny taona 2011 no notendrena ho Rektoran’ny Seminera zokiny, fandalinana filôzofia tao Antsirabe, ary niandraikitra izany hatramin’ny taona 2018, fotoana nanendrena azy ho curé tao amin’ny Eglizy “Notre-Dame de l’Assomption” – Imerinafovoany.

Nanomboka ny marsa 2019 izy no namerina ny fandikana ny Baiboly Katôlika amin’ny teny malagasy. Ny 08 jolay 2019 izy no notendren’ny Papa François ho eveka mpanampin’Antananarivo ka nohamasinina ho eveka ny 11 aogositra 2019. I Mgr Jean Pascal no nofidian’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara hisolotena azy ireo amin’ny Sinaodin’ny Eveka hotanterahina any Roma ny volana oktobra 2023, izay efa nitarika ireo ekipa malagasy nandray anjara tamin’ny sinaody kaontinantaly momba ny Eglizy miara-dia tany Addis Abeba - Ethiopie ny volana marsa 2023 lasa teo.

Nanomboka hatramin’ny taona 2007 ka hatramin’izao dia manolotra fandaharana momba ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Radio Don Bosco i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.

Manoloana izao fanendrena izao dia mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho azy sy ny diosezin’Antsirabe ny Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Evekan’i Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava.

Miarahaba an’i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina ny Radio Don Bosco amin’izao andraikitra vaovao sahaniny izao ary mirary soa ho azy sy ny diosezin’Antsirabe izay hotantaniny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...