♦ Tsy mbola niova fa ny kandidà laharana fahatelo no mitarika, tamin'ny fironana amin'ny voka-pifidianana navoakan'ny CENI... ♦ Fitaovana iray hahafahana manohy ny tolona eto amin'ny firenena, ny fifidianana natao omaly, hoy ny Filoha nasiônalin'ny HIFFIM, Alain Andriamiseza... ♦ Handeha mivantana amin'ny TVM ny fihaonana eo amin'ny Barean'i Madagasikara sy ny ekipan'i Ghana, rahariva amin'ny 7 ora...

Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 31, 10-13. 19-20. 30-31)

Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy.

Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo?
mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy ny tombany.
Matoky azy ny fon’ny lahy,
ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.
Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy,
amin’ny andro rehetra iainany.
Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy,
dia miasa an-kafaliana, amin’ny tanany.
Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany,
ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.
Manatsò-tanana amin’ny ory izy;
ary mamela-tanana amin’ny mahantra.
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy,
fa ny vehivavy matahotra ny Tompo ihany no hoderaina.
Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy;
ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 127, 1-2. 3. 4-5

Mba sambatra izay matahotra ny Tompo sambatra izay matoky, mino Azy.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
izay mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao;
ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo
hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra iainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 1-6)

Aoka ny andron’ny Tompo tsy hahatratra anareo tahaka ny mpangalatra.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo,
dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo
fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe:

“Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!”

iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo,
tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohòka,
ka tsy ho afa-mandositra izy.
Ianareo anefa, ry kristianina havana,
dia tsy mba ao amin’ny maizina,
ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo,
ary zanaky ny andro koa;
tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika,
fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy.
Ny anankiray roa,
ary ny anankiray iray,
samy araka ny fahaizany avy;
dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany,
ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa, ka nanao hoe:

‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho’.

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao’.

Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa,
dia nanao hoe:

‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho’.

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao’.

Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray
ka nanao hoe:

‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahàfanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao:
ka indro averiko aminao ny anao’.

Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:

‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahàfako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo an’ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vonon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify!’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mitana ny laharana voalohany ao anatin'ny fironana amin'ny ampahany amin'ny voka-pifidianana voarain'ny CENI, ny kandidà Andry Rajoelina. Manaraka azy ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Tsy mbola nisy taham-pandraisana anjara ambany tahaka ny fifidianana natao omaly, hoy ny vovonana ho amin'ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana. Naneho ny fahavononany hanohy ny fifampidinihana hatrany, ity vovonana ity... ♦ Hivory indray anio ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, ka lahadinika ny fanapahana navoakan'ny filankevitra siantifika amin'ny hiverenan'ny fampianarana...

♦ Hiatrika ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena isika eto Madagasikara rahampitso. Nampiharana "Couvre-feu" anio sy rahampitso alina, eto Antananarivo, hitandroana ny filaminana mialoha izay andro hanatanterahana ny fifidianana izay... ♦ Namoaka fanambarana androany ny Andrimaso FFKM, fa tsy handray anjara amin'ny asa fanaraha-maso ny fifidianana hotanterahana rahampitso... ♦ Fandrahonana no nandikan'ny SECES Sampana Antananarivo, ny taratasy navoakan'ny Filoham-panjakana, Richard Ravalomanana. Taratasy miangavy ny hanapahana ny karaman'ireo mpampianatra mpikaroka...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 18, 14-16 ; 19, 6-9)

Nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary nifaly toy ny zanak’ondry mifalihavanja izy ireo.

Tamin’izay,
raha ilay saron’ny fahanginana lehibe ny tany tontolo,
ka nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,
dia niezaka avy any an-tampon’ny lanitra
ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra
toy ny mpiady tsy azo ifonana,
avy any amin’ny seza fiandrianany,
nankeo afovoan’ilay tany voatolotra ho amin’ny fandringanana;
nitondra ny didinao tsy azo ovana,
toy ny sabatra maranitra;
dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza,
nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin’ny tany.

Niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo,
nanaraka ny didy manokana nomena azy,
mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao.
Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony;
niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany;
nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena,
ary niova ho tanimbolin-java-maitso,
ny rano be nisamboaravoara.
Nandalo teo izy ireo,
firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao,
nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona,
toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,
toy ny zanak’ondry mifalihavanja,
nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo,
Ianao Mpanafaka azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 2-3. 36-37. 42-43

Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!

Dia nokapohiny ny lahimatoa, tamin’ny taniny:
ny santatry ny herin-dahiny rehetra.
Dia navoakany tamim-bolafotsy sy volamena ny vahoakany;
tsy nisy tamin’ny fokony izay hoe narisarisa.

Eny, tsaroany ny teniny masina
tamin’i Abrahama mpanompony:
ka dia navoakany ny olony, ka niravo;
sy ireo voafidiny, ka nihoby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)

Andriamanitra hanome rariny ny olom-pinidiny mitaraina aminy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany
momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Hoy Izy:

“Tany amin’ny tanàna anankiray
nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra
sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin’izany tanàna izany koa,
dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe:

‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’;

fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy.
Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo:

‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho
sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy itý mpitondratena itý,
ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva
hanorisory ahy.’

Ary henoy, hoy ny Tompo,
izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny
izay mitaraina aminy andro aman’alina,
ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo.
Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona,
moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Fahendrena (Fahendrena 13, 1-9)

Raha nahazo fahalalana an’izao tontolo izao izy, ahoana no tsy nahalalany moramora kokoa ny Andriamanitra nanao azy?

Tena toetra adala ny an’ny olona rehetra tsy nahalala an’Andriamanitra,
ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an’Ilay Misy ho azy,
ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an’Ilay Mpanao azy.
Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika,
ny fanilon’ny lanitra, ny faribolan’ny kintana, ny rano mirimorimo,
no nataony ho andriamanitra mitondra izao rehetra izao.
Raha renoky ny hatsaran-tarehin’ireo izy
ka nanao ny zava-boaary ho andriamanitra,
dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo,
fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an’ireny.
Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany,
aoka ho fantany amin’izany ny halehiben’ny fahefan’izay nanao an’ireny.
Satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin’ny zava-boaary,
dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan’izy roa tonta.

Nahazo tsiny kely anefa izy ireo,
satria naniasia ihany angamba izy,
tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra amam-paniriany hahita Azy.
Mandinika ny asany izy ireo,
ka izany no fototry ny fikarokarohany,
ary matoky foana ny fisehoan-javatra
fa aoka izany ny hatsaran-tarehin’izay hitany.
Amin’izany anefa,
tsy afa-tsiny kosa izy ireo,
satria, raha nahazo fahalalana ampy izy,
mba hahalalany an’izao tontolo izao,
dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4. 5

Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka,
ny andro milaza amin’ny andro manaraka,
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Toy izany koa no hiseho amin’ny andron’ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe
no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra,
ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano
aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha,
aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy,
fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana,
ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina,
ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha,
ny iray horaisina ary ny iray havela.”

Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ho aiza Tompoko?”

Ary hoy Izy taminy:

“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 7, 22 — 8, 1)

Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay ny fahendrena ary fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina.

Ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina,
masina, tokana, maro asa,
tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka,
tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly,
tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona,
manao soa, tsara fo ho an’ny olombelona,
tsy manam-piovana, matoky, miadana,
mahefa ny zavatra rehetra,
mitandrina ny zavatra rehetra,
maninteraka ny fanahy rehetra,
ny manan-tsaina, ny madio,
ary ny faran’izay maranitra indrindra.
Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena,
maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy,
noho ny hadiovany.

Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy,
zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany,
ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy,
fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina,
ary endriky ny hatsaram-pony.

Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra;
tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra,
mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra
amin’ny taona mifandimby,
ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra
sy ho mpaminany.
Fa tsy misy tian’Andriamanitra
afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.
Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy,
sy noho ny filantoan’ny kintana.
Raha ampitahaina aminy ny mazava,
mbola ihoarany;
satria ny mazava, dimbiasan’ny alina;
fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny Fahendrena.

Ny Fahendrena mahatratra amim-pahefana
ny fara vazan-tany hatramin’ny ilany iray
ka hatramin’ny ilany iray hafa,
ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo.

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo:
eny, mateza toy ny lanitra.
Amin’ny taona mifandimby ny fahamarinanao,
tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.

Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao;
ampianaro ahy ny fitsaranao!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

Indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina
izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:

“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe:

Indro atý na arý izy;

fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”

Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:

“Ho avy ny andro hanirianareo hahita
ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:

Indro erý, na indro etý;

nefa aza mankany ianareo,
na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra
miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray
ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona
amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy
sy holavin’itý taranaka itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Raran'ny lalàna sy mahavoasazy ny manakana ny olona hifidy, na manohintohina ny fanatanterahana ny fifidianana, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy maintsy tonga eny anivon'ny Fokontany rehetra manerana ny nosy anio farafahatarany, ireo taratasin-datsa-bato rehetra ilaina eny anivon'ny Biraom-pifidianana... ♦ Ho hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana manerana ny nosy rahampitso, andron'ny fifidianana. Efa vonona amin'ny fidirana an-tsehatra amin'ny fandaminana rehetra ireo mpitandro ny filaminana, raha misy ny ilana izany...

Teo amin'ny akohonam-piainana kristiana voalohany : araka ny fampianaran'i Jesoa, tsy mifanohitra amin'izany ny nampianarin'ireo Apôstôly. Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana satria tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra fa voatendriny avokoa izay misy rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ho an'ny Egilzy : tsy azo atao ny manao ambanin-javatra ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fanasoavana ny tany. Tsy misaraka ny fianakaviana sy ny pôlitika. Taty amin'ny taona 1791 vao nandraikitra an-tsoratra mazava ireo Papa nifandimby mahakasika izany, Ansiklika izay mamotsipotsitra ny haratsian'ny tsy rariny mihatra amin'ny mpiasa sy ny adidin'ny fanjakana amin'ny fiarovana ny zon'izy ireny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Anatin'ny fampianarana ny fijoroana ho mpaminany nataon'ny mpitondra ny Eglizy araka ny hita vokatry ny Konsily Vatikana-II ao amin'ilay Foto-pampianarana "Ny fiangonana manoloana ny andro ankehitriny" navoaka tamin'ny 7 desambra 1965 sy ny fampianaran'ny Eglizy katôlika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy navoakan'ny Filan-kevitra Pontifikaly "Rariny sy  Hitsiny" tamin'ny 2 Aprily 2004. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Afaka manampy amin'ny fandalinana ny naoty navoakan'ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi, izay mamaritra ny firotsahan'ny katôlika amin'ny sehatra ara-pôlitika tarihan'ny feon'ny fieritreretana maha-kristiana azy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...