Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 13-20)

Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.

Ry kristianina havana,
misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary;
hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa.
Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany,
ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;
ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra,
ka nahavokatra ny tany.
Ry kristianina havana,
raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana,
ka misy anankiray mampibebaka azy,
dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany,
dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 140, 1-2. 3 sy 8

Ny fivavahako anie hisondrotra toy ny emboka manitra anoloanao.

Tompo ô! miantso Anao aho! faingàna ho eto amiko!
Henoy ny feoko, fa miantso Anao aho!
Ny fivavahako anie hisandratra toy ny emboka manitra anoloanao!

Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo!
Arovy ny varavaran’ny molotro!
Fa izaho kosa, ry Tompo, miandra any aminao!
Ianao no ifefeko aza afoy ny fanahiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)

Na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any.

Tamin’izany andro izany,
nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:

“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo,
fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra any.”

Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...