Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto tamin’i Môizy nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro,
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.
Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro fahafito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga ianao.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 11
Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.
Maha-te haniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 19, 1-2. 9-11. 16-20b)
Tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahan’i Israely tany Ejipta,
tamin’izany andro izany, no nahatongavany tany an’efitr’i Sinaia.
Efa niala tany Rafidima izy;
ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho,
mba ho ren’ny olona rahefa miteny aminao Aho,
dia hinoany anao mandrakariva koa.”
Dia nolazain’i Môizy tamin’ny Tompo ny tenin’ny vahoaka.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio,
sy ampitso ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy,
fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia
eo imason’ny vahoaka rehetra ny Tompo amin’ny andro fahatelo.”
Nony marainan’ny andro fahatelo,
dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra,
ary nisy feon’anjomara mafy nitatatata,
ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.
Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka
handeha hihaona amin’Andriamanitra;
dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo,
satria tanaty afo no nidinan’ny Tompo nankeo amboniny,
ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka,
ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara.
Ary niteny i Môizy ka namaly feo azy Andriamanitra.
Nidina ny Tompo nankeo an-tendrombohitra Sinaia,
dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56
Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny razana.
Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao,
ambony fiketraha-mpanjaka.
Isaorana indrindra Ianao,
mahatsinjo ny halalin’ny hantsana.
Isaorana indrindra Ianao,
mipetraka ambony Kerobima.
Isaorana indrindra Ianao,
manerana tany aman-danitra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe:
“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”
Namaly Izy ka nanao taminy hoe:
“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita,
ary mandre fa tsy mahazo na mahalala;
ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto,
ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony,
dia hibebaka izy ary hositraniko.’
Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita,
ary ny sofinareo fa mandre.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminanysy ny olo-marina
naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 16, 1-5. 9-15)
Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely
dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia
tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa,
taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.
Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra
ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:
“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay
mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona,
ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia.
Amin’ny andro fahenina,
homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna:
“Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe:
Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo,
fa efa reny ny fimonomononanareo.”
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna,
no nitodika ny efitra ireo,
ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia hivoky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra
zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:
“Inona itony?” satria tsy fantany.
Hoy i Môizy tamin’izy ireo:
“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28
Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo,
ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany.
Andriamanitra va re, hoy izy,
hahavonom-panasana atý an’efitra?
Izy nandidy ny rahona eny ambony;
ny varavaran’ny lanitra nadanadanany;
narotsany taminy ny mana ho sakafony:
varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofo Mahery no nohanin’olombelona,
vatsy mahahetsaka no nalefany taminy.
Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana;
nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.
Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy,
dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina.
Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny,
ary koa teny manodidina ny lainy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:
“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo,
ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo,
ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mampahomby ny iraka ny fiombonana sy ny fandraisana anjara, hoy ny Evekan'ny diosezin’i Tsiroanomandidy, Mgr Gabriel Randrianantenaina... ♦ Hampiavaka ny Fihanonam-be Nasiônalin’ny Ankizy Katôlika eto Madagasikara ny “Village Laudato Si’” ho tanterahana ny 29 jolay 2023... ♦ Amboaran’ny firahalahiana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora, hoy ny Papa François...
♦ Hotanterahina ny 27 aogositra 2023 ny andron'ny Diosezin'Antananarivo... ♦ Katesista miisa 315 no tonga niofana teny amin'ny foibe FTMTK Ambohipo nanomboka ny 10 jolay 2023, ho fanamafisana ny fahaiza-manao... ♦ Raha mamono ny konsiansa isika dia mamono ny Fanahin'Andriamanitra, hoy i Mgr Francis Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja...
Boky Eksaody (Eks. 14, 21 — 15, 1)
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina,
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:
“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”
Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro,
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.
Nony nikatona ny rano,
dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano eo akavanany sy eo ankaviany.
Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina.
Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.
Hoy izy:
“Hihira ho an’ny Tompo aho,
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Eks. 15, 8-9. 10 sy 12. 17
Noho ny fofon’ain’ny vavoronao,
niangona niavosa ny rano,
niantsavovona ny onjan-drano,
raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra,
dia hizara babo aho.
Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko.
Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.
Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao, dia safotry ny rano izy,
ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
Naninjitra ny tananao havanana ianao,
dia nitelina an’ireny ny tany.
Hitondra sy hamponina azy Ianao
eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao,
dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô!
Eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko,
ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)
lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano,
mitady Anao.”
Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:
“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”
Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:
“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 14, 5-18)
Tamin’izany andro izany,
dia nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka.
Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka fa hoy izy ireo:
“Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha,
ka namoy ny fanompoany antsika?”
Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.
Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta,
samy nisy mpifehy avy.
Nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,
ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna,
ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy
teo akaikin’ny ranomasina izay nitobiany;
nahatratra azy teo akaikin’i Fihahirôta,
tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna
sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.
Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony,
dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsianina,
ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely sy velon-taraina tamin’ny Tompo.
Ary nanao tamin’i Môizy hoe:
“Tsy misy fasana va tany Ejipta,
no dia nentinao ho faty atý an’efitra izahay?
Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta?
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe:
Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsianina
fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy toy izay ho faty any an’efitra.”
Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka:
“Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjen’ny Tompo anareo anio;
fa ireo Ejipsianina hitanareo anio ireo, tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Ny Tompo no hiady ho anareo,
fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.”
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina
dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra,
mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Izaho no Tompo,
rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo : Eks 15, 1-2. 3-4. 5-6
Hihira ho an’ny Tompo aho
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly
sy ny mpitaingina azy.
Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko,
sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Mpiady mahery ny Tompo.
Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina;
ny kapiteny voafantina natelin’ny ranomasina Mena.
Natelin’ny rano ireny;
nilentika any amin’ny farany ambany izy ireo.
Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana,
Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)
Tamin’izany andro izany,
ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe:
“Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.”
Fa namaly Izy ka nanao hoe:
“Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity
fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy;
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina
tany an-kibon’ny hazandrano lehibe
no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina
ao anatin’ny tany koa.
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy,
satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny;
nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto.
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana
hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy;
fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 12, 13. 16-19)
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany,
izay mitandrina ny zavatra rehetra,
mba hahenoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.
Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana:
ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra,
no itondrànao azy rehetra amim-pamindram-po.
Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao;
ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.
Fehezin’ny sitra-ponao ny herinao,
ka mitsara amin-kamoram-po Ianao,
ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe;
satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.
Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao,
fa tokony ho antra olona ny marina;
sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao,
fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 85, 5-6. 9-10. 15-16a
Tsara sy mpamela heloka Ianao, ry Tompo,
ho fitiavana an’izay miantso Anao!
Mampandria sofina amin’ny fivàvako,
ho tandrinao ny feoko mitaraina.
Ny firenena rehetra dia voaarinao:
hiankohoka eo anoloanao izy, ry Tompo.
Eny, hanome voninahitra Anao,
fa lehibe sy mahefa zava-mahagaga Ianao;
Ianao manko no Andriamanitra,
Ianao irery dia Ianao irery!
Ianao, ry Tompo Andriamanitra,
mpamindra fo sy mpiantra,
tsy mba malady vinitra Ianao,
be fitiavana sy fahamarinana.
Mba todiho maso aho,
ka iantrao, ry Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-27)
Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety angatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irìn’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy,
fa rehefa nitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarìna intelon’ny famarana
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra”.
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany manao hoe:
“Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.
Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy”.
Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe:
“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly;
ny taom-pijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo,
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 12, 37-42)
Tamin’izany andro izany,
niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta;
sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.
Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy,
mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta;
fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta
ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.
Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;
ary rahefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra,
dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafiky ny Tompo rehetra.
Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta,
ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo,
ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nahatsiaro antsika nijaly,
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony,
sy nisarika antsika tamin’ny mpampahory!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an’i Ejipta: dia ny Lahimatoany!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy namoaka an’i Israely teo aminy;
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
tamin’ny tana-mahery sy sandry mihinjitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nampandalo an’i Israely teo anivony;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nanipy an’i Faraôna sy ny tafiny tao!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina
ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy,
ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko,
ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy,
na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 11, 10 — 12, 14)
Tamin’izany andro izany,
dia nanao fahagagana maro teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarona,
fa nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna,
ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.
Dia izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna
tany amin’ny tany Ejipta:
“Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo,
dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, ataovy hoe:‘Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity,
samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isain-pianakaviana,
zanak’ondry iray isan-trano.
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray,
dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy
arakaraka ny isan’ny olona,
fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona
hihinana an’io zanak’ondry io.
Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona;
ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io,
vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra
amin’ilay àty takariva iny.
Hangalàna ny rany hatentina amin’ny tolàna roa
sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy;
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony.
Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy
miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy,
fa atsatsika amin’ny afo daholo mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory.
Ary toy izao no hihinananareo azy:
ny andilana voasikina,
ny tongotra voaisy kapa;
ny tanana mitan-tehina,
ny fihinanana azy atao faingana.
Pakan’ny Tompo izany.’Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io,
ka ny lahimatoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby,
ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra:
fa Izaho no Tompo.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo;
ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo,
ka tsy hisy loza hahafaty anareo,
rahefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,
fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo,
hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby,
ho zava-nalahatra haharitra mandrakizay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18
Koa inona no havaliko ny Tompo
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho
hiantsoako amy foko ny Anaranao,
efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalàna aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza taminy hoe:
“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”
Ary hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 3, 13-20)
Tamin’izany andro izany,
i Môizy dia nahare ny feon’Andriamanitra avy tao amin’ny zava-maniry milobolobo,
ka hoy izy taminy:
“Izao àry dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho,
ka hilaza aminy hoe:‘Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo.’
Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?”
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Izaho no Ilay Misy.
Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak’i Israely:
Ilay Misy no naniraka ahy ho atý aminareo.”
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe:
‘Ny Tompo Andriamanitry ny razanareo,
dia ny Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka,
Andriamanitr’i Jakôba,
no maniraka ahy ho atý aminareo.’Fa izany no Anarako mandrakizay;
izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.
Mandehàna, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe:‘Niseho tamiko ny Tompo Andriamanitry ny razanareo,
dia ny Andriamanitr’i Abrahama,
sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe:
Namangy anareo Aho,
ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.
Ka hoy Aho:
Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo,
ho any amin’ny tanin’ny Kananeana, ny Heteana, ny Amôreana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jebôseana,
any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.’Fa hihaino ny teninao izy ireo;
dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta,
ka hanao aminy hoe:‘Niseho taminay ny Tompo, Ilay Andriamanitry ny Hebrio.
Koa amin’izao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra
hanolotra sorona amin’ny Tompo Andriamanitray.’Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta,
raha tsy amin’ny tanana mahery;
nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta
amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy,
ka havelany handeha ianareo rahefa afaka izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 1 sy 5. 8-9. 24-25. 26-27
Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantorahany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.
Nohamaroiny fatratra ny Vahoakany,
sy nataony mahery noho ny rafiny.
Ny fon’ireto novàny hankahala ny Vahoakany,
sy hamely am-pitaka an’ireo mpanompony.
Kanjo nalefany i Môizy mpanompony, sy i Aarôna ilay voafidiny.
Ireo no nametrahany ny Famantarany tany an’efitra,
sy ny fahagagany tany amin’ny tanin’i Kama.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Mankanesa aty amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako,
ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 3, 1-6. 9-12)
Tamin’izany andro izany,
niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany,
mpisorona tao Madiàna, i Môizy.
Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby,
ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba izy.
Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo,
teo afovoan’ny zavamaniry milobolobo.
Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo,
nefa tsy levona.
Ka hoy i Môizy:
“Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io,
sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.”
Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy,
dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo,
nanao hoe:
“Ry Môizy! Ry Môizy!”
Ka hoy ny navaliny:
“Inty aho!”
Dia hoy Andriamanitra:
“Aza manakaiky eto;
esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.”
Ary hoy koa Izy:
“Izaho no Andriamanitry ny rainao,
Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka
ary Andriamanitr’i Jakôba.”
Nosaronan’i Môizy ny tavany,
fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Hoy indray ny Tompo:
“Ankehitriny,
indro tafasondrotra hatratý amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely,
ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsianina amin’izy ireo.
Koa handeha ianao amin’izao,
irahiko ho any amin’i Faraôna,
hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.”
Fa hoy i Môizy tamin’Andriamanitra:
“Zinona moa aho no hankany amin’i Faraôna
sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?”
Dia hoy Andriamanitra:
“Homba anao Aho;
ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao:
Rahefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka,
dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa azo avy aminy.
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao!
Mpanome rariny ny Tompo,
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalany an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy ny Zanak’i Israely.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, Raiko,
Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko,
fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco