♦ Manomboka tonga any amin'ny sampana mpanisa vato any amin'ny distrika na ny SRMV ny voka-pifidianana vonjy maika. Kandidàn'ny IRMAR telo no resin'ny kandidà tsy miankina any amin'ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy Fitovinany raha ny ampaham-bokatra voaray... ♦ Maro ny orinasa afak'haba mbola mampiasa olona toa ny andavan'andro tamin'ny omaly androm-pifidianana. Tranga tsy fanarahan-dalàna momba ny asa izany hoy ny Sendika FISEMARE... ♦ Mbola ambany ny taham-pamokarana ovy eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy 6 taonina isaky ny hektara izany raha toa ka tokony hatratra 20 hatramin'ny 30 taonina. Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ny ovy...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240530.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...