Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 49, 29-33 ; 50, 15-24)

Hamangy anareo Andriamanitra sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý.

Tamin’izany andro izany,
dia izao no hafatra napetrak’i Jakôba tamin-janany:

“Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako,
anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna, Heteanina;
anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana;
dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha, tamin’i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy.
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.
Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny.
Ary tao no nandevenako an’i Leà.
Tamin’ny taranak’i Heta no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.”

Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba,
navonkony teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy;
ka voaangona any amin’ny razany.
Rahefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty rainy dia hoy izy:

“Sao dia anaovan’i Jôsefa fo lentika isika,
ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.”

Koa nampilaza tamin’i Jôsefa izy nanao hoe:

“Nanafatra rainao talohan’ny nahafatesany, nanao hoe:
Izao no holazainareo amin’i Josefa:
‘Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao,
fa nahavita ratsy taminao izy.
Nefa mifona aminao aho ankehitriny,
avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.’

Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.

Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe:

“Mpanomponao izahay.”

Fa hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:

“Aoka tsy hanan-tahotra ianareo;
fa moa solon’Andriamanitra va aho?
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo;
fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra
mba hahatanteraka izao hita anio izao,
mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo,
na ny tenanareo na ny zanakareo aho.”

Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.

Ka dia nonina tany Ejipta i Jôsefa, izy sy ny ankohonan-drainy.
Folo amby zato taona no andro niainany.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy.
Ary nisy koa zanak’i Makira, zanak’i Manase izay teraka
ka noraisin’i Jôsefa teo ampofoany.

Ary hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:

“Izaho itý ho faty;
nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa
sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý
ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7

Ianareo manetry tena tadiavo Andriamanitra dia ho velom-bolo ny fonareo.

Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Mihirà ho Azy; mankalazà Azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.

Mireharehà amin’ny Anarany masina:
hiravoravo anie ny fon’izay mitady ny Tompo.
Mitadiava ny Tompo sy ny heriny:
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.
Izy no Tompo Andriamanitsika;
mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)

Aza matahotra izay mamono ny vatana.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...