Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 32, 22-32)
Hatao hoe Israely ny anaranao, satria efa niady tamin’Andriamanitra ianao ka nahery.
Tamin’izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba,
nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy
ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy:
dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
Nalainy ireo,
nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo,
ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy,
mandra-pahazavaratsin’ny andro.
Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy,
dia ny famavàn’ny feny no notendreny
ka nivika terý ny foto-pen’i Jakôba
nandritra ny nitolomany taminy.
Dia hoy izy tamin’i Jakôba:
“Avelao aho handeha,
fa efa hazava ratsy ity ny andro.”
Fa hoy i Jakôba:
“Tsy avelako handeha ianao,
raha tsy efa nitso-drano ahy.”
Dia hoy izy taminy:
“Iza no anaranao?”
Ary novaliany hoe:
“Jakôba.”
Ka hoy izy:
“Tsy hatao hoe i Jakôba intsony ny anaranao,
fa hatao hoe i Israely,
satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.”
Dia nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe:
“Masìna ianao,
mba ampahalalao ahy kely ny anaranao.”
Fa hoy izy:
“Ahoana no anontanianao ny anarako?”
Dia nitso-drano azy teo izy.
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy:
“Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho,
nefa velona ihany ny aiko.”
Nony niala teo Fanoely izy,
dia indro hitany niposaka ny masoandro;
nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely
ny hozatra lehibe ao amin’ny famavàn’ny fe mandraka androany,
dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavàn’ny fen’i Jakôba
teo amin’ny hozatra lehibe.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 16, 1. 2-3. 6-7. 8b sy 15
Hibanjina ny tavanao aho, noho ny fahamarinako.
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ekeo re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy;
ny masonao mahità ny hitsiny.
Savao ny foko; tampohy alina aho;
manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao!
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho;
mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy.
Tamin’izany andro izany,
indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray
sady moana no azon’ny demony.
Ary nony voaroaka ny demony,
dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe:
“Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.”
Fa ny Farisianina kosa nanao hoe:
“Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.”
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.