Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 3, 15 — 4, 1. 3-6)

Andriamanitra no manazava ny fonay mba hampazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, mandraka ankehitriny,
isaky ny vakìna ny tenin’i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon’ny zanak’i Israely.
Fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona.
Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo;
ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.
Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava,
fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra;
sady ovan’Izy Tompo izay Fanahy,
handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany,
araka ny famindram-po natao taminay.
Matoa misy miafina ny Evanjelinay,
dia amin’izay manary tena no iafenany,
izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao
mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy,
izay endrik’Andriamanitra.
Fa tsy ny tenanay no torìnay, fa i Jesoa Kristy Tompontsika,
ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.
Satria Andriamanitra izay mandidy hoe:
“aoka ny mazava hiposaka ao amin’ny maizina”,
no manazava ny fonay,
mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra,
izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Honina amin’ny tanintsika ny voninahitry ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo.
Mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany etý amintsika.

Koa indro mihaona tokoa
ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany.
Ny hitsiny hita mitsiry amy tany.

Mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny raviny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo.
Izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...