Vakiteny voalohany
Boky Deterônômy (Det. 4, 32-34. 39-40)
Ny Tompo irery no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ny tany ambany, ary tsy misy hafa.
Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ ny vahoaka Israely:
“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renao,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitra ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra,
any amin’ny lanitra ambony sy ety an-tany ambany, ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 32, 4-5. 6 sy 9. 18-19. 20 sy 22
Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Ny lanitra no vita dia ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny no misy: ny fofon’ain’ny vavany.
Izay lazainy dia efa;
izay teneniny, tomombana.
Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Izahay manantena ny Tompo,
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho aminay matoky Anao!
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 14-17)
Raiso ny Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà, Ray.
Ry kristianina havana,
izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona
miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy isika,
mba hiarakomem-boninahitra aminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)
Manaova Batemy azy ireo amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Tamin’izany andro izany,
niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha,
dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.