Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 18, 14-16 ; 19, 6-9)

Nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary nifaly toy ny zanak’ondry mifalihavanja izy ireo.

Tamin’izay,
raha ilay saron’ny fahanginana lehibe ny tany tontolo,
ka nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,
dia niezaka avy any an-tampon’ny lanitra
ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra
toy ny mpiady tsy azo ifonana,
avy any amin’ny seza fiandrianany,
nankeo afovoan’ilay tany voatolotra ho amin’ny fandringanana;
nitondra ny didinao tsy azo ovana,
toy ny sabatra maranitra;
dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza,
nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin’ny tany.

Niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo,
nanaraka ny didy manokana nomena azy,
mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao.
Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony;
niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany;
nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena,
ary niova ho tanimbolin-java-maitso,
ny rano be nisamboaravoara.
Nandalo teo izy ireo,
firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao,
nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona,
toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,
toy ny zanak’ondry mifalihavanja,
nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo,
Ianao Mpanafaka azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 2-3. 36-37. 42-43

Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!

Dia nokapohiny ny lahimatoa, tamin’ny taniny:
ny santatry ny herin-dahiny rehetra.
Dia navoakany tamim-bolafotsy sy volamena ny vahoakany;
tsy nisy tamin’ny fokony izay hoe narisarisa.

Eny, tsaroany ny teniny masina
tamin’i Abrahama mpanompony:
ka dia navoakany ny olony, ka niravo;
sy ireo voafidiny, ka nihoby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)

Andriamanitra hanome rariny ny olom-pinidiny mitaraina aminy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany
momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Hoy Izy:

“Tany amin’ny tanàna anankiray
nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra
sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin’izany tanàna izany koa,
dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe:

‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’;

fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy.
Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo:

‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho
sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy itý mpitondratena itý,
ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva
hanorisory ahy.’

Ary henoy, hoy ny Tompo,
izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny
izay mitaraina aminy andro aman’alina,
ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo.
Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona,
moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Fahendrena (Fahendrena 13, 1-9)

Raha nahazo fahalalana an’izao tontolo izao izy, ahoana no tsy nahalalany moramora kokoa ny Andriamanitra nanao azy?

Tena toetra adala ny an’ny olona rehetra tsy nahalala an’Andriamanitra,
ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an’Ilay Misy ho azy,
ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an’Ilay Mpanao azy.
Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika,
ny fanilon’ny lanitra, ny faribolan’ny kintana, ny rano mirimorimo,
no nataony ho andriamanitra mitondra izao rehetra izao.
Raha renoky ny hatsaran-tarehin’ireo izy
ka nanao ny zava-boaary ho andriamanitra,
dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo,
fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an’ireny.
Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany,
aoka ho fantany amin’izany ny halehiben’ny fahefan’izay nanao an’ireny.
Satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin’ny zava-boaary,
dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan’izy roa tonta.

Nahazo tsiny kely anefa izy ireo,
satria naniasia ihany angamba izy,
tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra amam-paniriany hahita Azy.
Mandinika ny asany izy ireo,
ka izany no fototry ny fikarokarohany,
ary matoky foana ny fisehoan-javatra
fa aoka izany ny hatsaran-tarehin’izay hitany.
Amin’izany anefa,
tsy afa-tsiny kosa izy ireo,
satria, raha nahazo fahalalana ampy izy,
mba hahalalany an’izao tontolo izao,
dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4. 5

Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka,
ny andro milaza amin’ny andro manaraka,
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Toy izany koa no hiseho amin’ny andron’ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe
no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra,
ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano
aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha,
aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy,
fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana,
ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina,
ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha,
ny iray horaisina ary ny iray havela.”

Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ho aiza Tompoko?”

Ary hoy Izy taminy:

“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 7, 22 — 8, 1)

Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay ny fahendrena ary fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina.

Ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina,
masina, tokana, maro asa,
tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka,
tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly,
tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona,
manao soa, tsara fo ho an’ny olombelona,
tsy manam-piovana, matoky, miadana,
mahefa ny zavatra rehetra,
mitandrina ny zavatra rehetra,
maninteraka ny fanahy rehetra,
ny manan-tsaina, ny madio,
ary ny faran’izay maranitra indrindra.
Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena,
maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy,
noho ny hadiovany.

Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy,
zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany,
ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy,
fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina,
ary endriky ny hatsaram-pony.

Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra;
tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra,
mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra
amin’ny taona mifandimby,
ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra
sy ho mpaminany.
Fa tsy misy tian’Andriamanitra
afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.
Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy,
sy noho ny filantoan’ny kintana.
Raha ampitahaina aminy ny mazava,
mbola ihoarany;
satria ny mazava, dimbiasan’ny alina;
fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny Fahendrena.

Ny Fahendrena mahatratra amim-pahefana
ny fara vazan-tany hatramin’ny ilany iray
ka hatramin’ny ilany iray hafa,
ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo.

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo:
eny, mateza toy ny lanitra.
Amin’ny taona mifandimby ny fahamarinanao,
tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.

Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao;
ampianaro ahy ny fitsaranao!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

Indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina
izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:

“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe:

Indro atý na arý izy;

fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”

Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:

“Ho avy ny andro hanirianareo hahita
ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:

Indro erý, na indro etý;

nefa aza mankany ianareo,
na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra
miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray
ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona
amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy
sy holavin’itý taranaka itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 6, 1-11)

Mihainoa, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena.

Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara;
mihainoa ny fampianarana,
ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.
Mampandria sofina,
ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka...
ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.
Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery,
ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana,
dia Izy no handinika ny asanareo,
sy hizaha toetra ny hevitrareo.
Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany
tsy mbola nitsara ara-drariny,
na nitandrina ny lalàna,
na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;
dia hiantefa aminareo Izy,
mahatsiravina sy tampoka
fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.
Ny madinika,
avela heloka amim-pamindram-po,
fa ny manam-pahefana kosa
faizina mafy.
Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra,
ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso;
fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely,
ary samy ahìny na ireto na iretsy.
Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.
Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka,
mba hianaranareo ny fahendrena,
ka tsy ho lavo ianareo.
Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana,
hohamarinina;
ary izay mianatra azy hanan-kavaly.
Koa aoka hankamamìnareo ny teniko;
aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 81, 3-4. 6-7

Mitsangàna, ry Andriamanitra, hitsara ny tany.

Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty;
omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory!
Afaho ny malahelo sy ny mahantra
ka esory amin’ny tanan’ny olon-dratsy!
Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak’Ilay Avo avokoa!
Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo,
sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

Ny vahiny indray itý no hany niverina hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany
nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy
izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:

“Ry Jesoa Mpampianatra ô,
mamindrà fo aminay.”

Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:

“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;

ka nony nandeha ho any izy ireo
dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny,
rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra
tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy,
dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:

“Moa tsy folo lahy va no nadio?
Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny
mba hankalaza an’Andriamanitra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Mitsangana, ary mandehana,
fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...

♦ Mifantoka amin'ny raharaham-pirenena ny hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay navoakan'izy ireo omaly alakamisy 9 nôvambra 2023... ♦ Hotanterahana rahampitso 11 nôvambra amin'ny 11 ora antoandro, ny fanankinana amin'Andriamanitra ny fanahin'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, Salezianin'i Don Bosco...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 2, 23 — 3, 9)

Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, kanjo ao anatin’ny fiadanana.

Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona,
ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany;
fa ny fialonan’ny demony
no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao,
dia hanandrana izany ry zareo izay azy.
Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina,
ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
Hoatra ny maty izy,
araka ny fiheveran’ny adala azy,
ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao,
ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika;
kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.
Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona,
ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana,
dia handray valisoa lehibe izy:
fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy,
ka hitany ho mendrika Azy.
Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy,
ka nankasitrahany,
toy ny sorona dorana lavorary.
Amin’ny andro hamalian-tsoa azy,
hamirapiratra izy ireo;
tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina;
hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy,
satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina;
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.

Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha
no mba hilaza aminy hoe:

‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’

Moa tsy izao aza no holazainy aminy:

‘Amboary ny sakafoko,
ary misikina hampihinana ahy
mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’

Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo,
dia lazao hoe:

‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Boky Fahendrena (Fahendrena 1, 1-7)

Malala-tanana ny fanahin’ny fahendrena; manerana izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo.

Tiavonareo ny fahamarinana,
ianareo izay mpitsara eto an-tany;
aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo,
ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy,
ary miseho amin’izay matoky Azy.
Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra,
ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy
miampanga ny adala.
Ny fahendrena
tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy,
ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
Ny Fanahy Masina,
mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy,
manalavitra ny hevitra tsy misy saina,
ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena,
ka tsy avelany ho afa-potsiny
ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony.
Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany.
Mpamantatra marina ny fony,
ary mandre ny teniny.
Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo,
ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra,
ka reny daholo izay lazain’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10

Tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.

Tompo ô! mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.

Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina.

Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.

Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana,
fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina
na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao,
anaro izy,
ka raha mivalo izy,
dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe:

‘Mifona aho’,

dia mamelà azy.”

Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:

“Ampitomboy ny finoanay.”

Fa hoy ny Tompo:

“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:

‘Miongota,
ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,

dia hanaiky anareo izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Notontosaina omaly 5 nôvambra 2023 ny fanaovam-beloma farany an'i Mgr Antoine Scopelliti... ♦ Mangataka amintsika rehetra mba hivavaka ho azy, amin'ny maha mpiandry ondry azy, ny Papa François, ho an'ity volana nôvambra ity... ♦ Isaky ny alahady voalohany amin'ny volana nôvambra no natokana hivavahana ho an'ireo olona maty teny an-dranomasina, izay karakarain'ny "Apostolat de la Mer" ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...

♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 6, 12-16)

Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana.

Ny Fahendrena dia mamirapiratra,
tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an’izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy,
tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy,
dia ho afaka ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy
mitady an’izay mendrika azy,
miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 7-8

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitra ô.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao,
mangetaheta Anao ny fanahiko,
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toeranao masina no nahitako Anao;
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana,
tontolo alina mihevitra Anao:
fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
raha efa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka,
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-14)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Inty tamy ny mpampakatra ka mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo
izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra,
dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Inty tamy ny mpampakatra,
mandehana mitsena azy ianareo’.

Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo
ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay’.

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo’.

Ary raha mbola nandeha nividy izy,
dia tonga ny mpampakatra,
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’.

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’.

Koa miambena ianareo,
fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Notsofin-drano sy noraisina omaly ny andiany Fihavaozana, mpamaky teny sy mpanotrona, ao amin'ny Grand Séminaire Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, Faliarivo Ambanidia... ♦ Nosokafana tao amin'ny Katedraly Fo Madion'i Maria, ny faha-25 taona niorenan'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Tanteraka ao amin'ny fitiva-namana ny fitiavana an'Andriamanitra, io no fampianarana netin'ny Ray masina, François omaly, nandritra ny vavaka Angélus...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...