Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 18, 1-6)

Toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ianareo eo an-tanako.

Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga,
ary any Aho hampandre anao ny teniko.”

Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho;
ka indro izy manao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.
Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony,
araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy,
ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

Dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo toy izao:

“Moa Aho tsy mahazo manao aminareo,
toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely?
— teny marin’ny Tompo.
Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ianareo eo an-tanako,
ry taranak’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 3-4. 5-6

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba.

Izaho midera ny Tompo,
raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro,
raha mbola misy koa!

Aza mba mitoky amin’ny manam-pahefana
na amin’ny olombelona tsy afa-mamonjy:
izay lasa fofon’aina, mody amin’ny tany:
ka rava fikasana terý!

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba,
sy mametraka ny tokiny amin’Andriamanitra Tompony,
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)

Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao:
rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Eny, hoy izy ireo taminy.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana
izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.”

Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 febroary 2025

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...