Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 9, 1-4. 17-19 ; 10, 1a)
Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe i Kisy,
zanak’i Abiela, zanak’i Serora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afià,
zanaky ny Benjamita anankiray;
lehilahy mahery fo izy io.
Nanan-janaka anankiray atao hoe i Saola izy,
izay sady mbola tanora no tsara tarehy;
tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra,
ary nanatombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.
Ary nania ny ampondravavin’i Kisy, rain’i Saola,
ka hoy i Kisy tamin’i Saola zanany:
“Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao
dia mandehana mitady ny ampondra.”
Dia namaky ny tendrombohitr’i Efraima,
ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita.
Ary raha vao nahita an’i Saola i Samoela
dia hoy ny Tompo taminy:
“Io no lehilahy voalazako taminao,
izy no hanjaka amin’ny oloko.”
Nanatona an’i Samoela tao am-pamatonan’ny vavahady i Saola nanao hoe:
“Aza mahafady,
mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita.”
Dia hoy i Samoela tamin’i Saola:
“Izaho no ilay mpahita,
miakara eo alohako ho any amin’ny fitoerana avo,
fa hiara-mihinana amiko ianareo anio;
rahampitso vao halefako handeha ianao,
ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.”
Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo,
naidiny tamin’ny lohan’i Saola,
dia norohany izy, sady nataony hoe:
“Moa tsy nohosoran’ny Tompo ho mpifehy amin’ny lovany va ianao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7
Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin’ny herinao,
sy miravo aoka izany amin’ny Fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao
ny vavaky ny molony tsy lavinao.
Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay.
Lehibe ny voninahiny noho ny Fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy!
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy,
dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:
“Andeha hanaraka Ahy.”
Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”
Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:
“Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 8, 4. 7. 10-22a)
Tamin’izany andro izany,
nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà,
nanao taminy hoe:
“Ianao itý efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao,
koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra
no atsangano aminay hitsara anay.”
Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany
noho izy ireo nanao hoe:
“Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.”
Dia nivavaka tamin’ny Tompo i Samoela;
ary hoy ny Tompo tamin’i Samoela:
“Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao,
satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany,
dia ny tsy hanjakako aminy intsony.”
Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy
ny tenin’ny Tompo rehetra, ka hoy izy:
“Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo.
Ny zanakalahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny
sy hataony mpitaingin-tsoavaliny
ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo.
Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy;
hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny,
hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny.
Ny zanakavavinareo halainy ho mpanamboatra zava-manitra,
ho mpahandro, ho mpanao mofo.
Ny tanimbarinareo, ny tanim-boalobokareo,
ny fototr’ôlivanareo tsara indrindra dia halainy
ka homeny ny mpanompony.
Ny ampahafolon’ny vokatra aman-tanim-boalobokareo halainy
ka homeny ny tandapa ama-mpanompony.
Ny mpanomponareo na lahy na vavy,
mbamin’ny ombinareo aman’ampondra tsara indrindra
halainy hampanaovina ny asany.
Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy,
ary ny tenanareo aza ho mpanompony.
Hitaraina ianareo amin’izany andro izany,
noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo,
nefa tsy hihaino anareo ny Tompo.”
Tsy nety nihaino ny feon’i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy:
“Tsia, fa aoka ihany izahay mba hana-mpanjaka!
Dia mba ho toy ny firenena koa izahay;
ny mpanjakanay no hitsara anay,
hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay.”
Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka
dia nolazainy indray ho ren’ny Tompo;
ka hoy ny Tompo tamin’i Samoela:
“Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 16-17. 18-19
Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby,
sy mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
sy mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny Fitiavanao ny rariny.
Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny Fitiavanao no manandratra ny tandrokay!
Eny, ny Tompo no Andrianay;
Ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:
“Anaka, voavela ny helokao.”
Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:
“Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe:
Voavela ny helokao,
sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany,
ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 4, 1-11)
Ary natao tamin’i Israely rehetra ny tenin’i Samoela.
Dia nivoaka hiady tamin’i Filistina i Israely
ka nitoby teo akaikin’i Eben-Ezera:
ary ny Filistina nitoby tao Afeka.
Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistina,
ka rafitra ny ady,
dia resin’i Filistina i Israely,
nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady
teo amin’ny tany lemaka.
Niverina tany an-toby ny olona,
ary hoy ny loholon’i Israely:
“Nahoana ny Tompo no namely antsika teo anoloan’ny Filistina androany?
Andeha hoentina hankatý amintsika avy any Silao ny fiaran’ny faneken’ny Tompo;
aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.”
Dia naniraka nankany Silao ny olona,
ka nentina avy any amin’io tanàna io ny fiaran’ny faneken’ny Tompon’ny tafika,
izay mipetraka amin’ny kerobima.
Niaraka tamin’ny fiaran’ny faneken’ny Tompo Andriamanitra
izy mirahalahy zanak’i Helî, dia i Ofnî sy i Finea.
Nony niditra teo an-toby ny fiaran’ny faneken’ny Tompo
dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra,
ka nanako ny tany.
Ren’ny Filistina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy:
“Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka
any an-tobin’ny Hebrio izany?”
Dia reny fa ny fiaran’ny faneken’ny Tompo no tonga tao an-toby.
Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe:
“Tonga ao an-toby Andriamanitra.”
Dia hoy izy:
“Hahita loza isika,
fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandraka ankehitriny!
Hahita loza isika;
iza no hanafaka antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo?
Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsianina tany an’efitra
tamin’izao loza rehetra izao.
Samia matanjaka sy mitomban-dahy ianareo, ry Filistina,
fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo.
Misehoa ho lehilahy ary miadia.”
Dia niady ny Filistina ka resy i Israely
sy samy nandositra ho any an-dainy avy;
ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra,
no lavo tamin’i Israely.
Ny fiaran’Andriamanitra dia voasambotra,
ary izy roa lahy zanak’i Helî, i Ofnî sy i Finea, dia maty.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 43, 10-11. 14-15. 24-25
Kinanjo Ianao itý mandao sy mahafa-baraka,
tsy mivoaka miaraka amin’ny tafikay intsony!
Izahay ataonao miamboho ny rafinay;
sy famabon’ireo mpankahala.
Izahay ataonao fandatsan’ny miara-monina,
fanakora sy faneson’ny manodidina,
fitafan’ireo firenena,
fihifihan-doha amin’ireo vahoaka!
Mifohaza, ry Tompo: ahoana Ianao no matory?
Miarena! aza dia tsy rototra, ry Ilay Hajaina!
Ahoana ny Tavanao no afenina?
no hadino ny fahorianay sy ny famoretana anay?
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety aho, madiova ianao.”
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa
sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo,
aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao
dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.”
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Ho fiomanana amin'ny Kôngresy Nasiônalin'ny MCCP amin'ny taona 2025, dia nanatanteraka Kôngresim-paritra ny MCCP Arsidiôsezy Avaratra... ♦ Nifanindran-dalana tamin'ny Fitsidihana Pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana tao amin'ny Eglizy Iraka Immaculée Conception Andapa, ny fankalazana ny faha-200 taonan'ny masera Filles de la Charité du Sacré-Cœur de Jésus... ♦ Tafajoro ny 8 desambra tao amin'ny Paroasy Katedraly Masindahy Josefa Ambanja, ny Vondrom-bakaka Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana Immaculée Conception...
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 3, 1-10. 19-20)
Tamin’izany andro izany:
nanao ny fanompoana tamin’ny Tompo teo anatrehan’i Helî i Samoela kely.
Nahalana ny tenin’ny Tompo tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.
Tamin’izany andro izany nony nandry i Helî teo amin’ny fitoerany,
ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy;
ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty,
ary i Samoela nandry tao an-tempolin’ny Tompo
izay nisy ny fiaran’Andriamanitra,
dia nantsoin’ny Tompo i Samoela ka namaly hoe:
“Intý aho!”
sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý aho fa niantso ahy ianao.”
Ary hoy i Helî:
“Tsy niantso anao aho, fa miverena mandry.”
Dia lasa izy nandry.
Nantsoin’ny Tompo indray i Samoela ka niarina i Samoela
dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý, aho fa niantso ahy ianao.”
Namaly i Helî:
“Tsy niantso aho anaka, fa miverena mandry.”
Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela,
satria tsy mbola nanehoana ny tenin’ny Tompo izy.
Ary nantsoin’ny Tompo fanintelony indray i Samoela
ka niarina, dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý aho, fa niantso ahy ianao.”
Fantatr’i Helî tamin’izay fa ny Tompo no niantso ny zaza,
ka hoy i Helî tamin’i Samoela:
“Mandehana mandry,
fa raha misy miantso anao, dia valio hoe:
Mitenena, ry Tompo ô,
fa mihaino ny mpanomponao.”
Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.
Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo
ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
Fantatr’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea
fa tena mpaminanin’ny Tompo marina tokoa i Samoela.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 39, 2 sy 5. 7-8a. 8b-9. 10
Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho.
Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny,
tsy miherika amin’ny rendrareridra sy ankosotra!
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana,
ka hoy aho hoe: Intý aho, tamy!
Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy,
ny manao ny sitrakao ry Andriamanitro, no mamiko.
Eny, ato anatin’ny foko ny lalànao.
Torìko ao am-Piangonam-be
ny Fahamarinana.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:
“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.”
Fa izao no navaliny:
“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa;
fa izany no nivoahako.”
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’ny Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 9-20)
Tamin’izany andro izany,
nony avy nihinana dia nitsangana i Annà.
I Helî mpisorona izany,
nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray,
teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsatokazon’ny tempolin’ny Tompo.
Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Annà tamin’ny Tompo,
ary nipotrapotraka ny ranomasony;
ary nivoady izy nanao hoe:
“Tompon’ny tafika ô,
raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao ianao,
raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao,
ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an’ny Tompo izy,
amin’ny andro iainany rehetra,
ary tsy hokasihin-kareza ny lohany.”
Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan’ny Tompo
ka nodinihin’i Helî ny vavany.
Fa niteny anakampo i Annà,
ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika,
fa ny feony tsy re akory.
Noheverin’i Helî fa mamo izy.
Dia hoy izy taminy:
“Mandra-pahoviana ianao no ho mamo?
Mampisavà ny hamamoana avy amin’ny divainao.”
Fa hoy i Annà:
“Tsia, tompoko,
fa vehivavy ory ao am-po aho,
tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho;
fa mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny Tompo.
Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon’i Beliala
fa ny hamafin’ny alahelo amam-pahoriako
no nitenenako mandraka ankehitriny.”
Dia niteny indray i Helî ka hoy izy:
“Mandehana amim-piadanana,
ary hohenoin’Andriamanitr’i Israely anie
ny vavaka nataonao taminy.”
Ka hoy izy:
“Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.”
Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy,
dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.
Ary nifoha maraina koa izy ireo,
ka nony avy niankohoka teo anatrehan’ny Tompo, dia nody izy,
ka niverina tany an-tranony any Ramà.
Ary i Elkanà nahalala an’i Annà vadiny,
ary ny Tompo nahatsiaro azy.
Ary nony nitsingerina ny andro,
dia efa nanana anaka i Annà ka dia tera-dahy izy,
ary nataony hoe Samoela ny anarany,
fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
1 Sam. 2, 4-5. 6-7. 8abde
Endrey ny hafaliako manana ny Tompo.
Ny lohako mitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana amin-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa;
ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo,
mampidina sy mampakatra ny maty.
Mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra.
Ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
Indray sabata,
raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa
sy ireo nanara-dia Azy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga,
ary nampianatra azy ireo Izy.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny sinagôgany,
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:
“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”
Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:
“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io.”
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe:
“Inona itý?
Fampianarana vaovao inona re itý?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.”
Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 1-8)
Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima,
any amin’ny tendrombohitr’i Efraima, atao hoe Elkanà,
zanak’i Jerohana, zanak’i Elio, zanak’i Taoho, zanak’i Sofa:
Efrateana izy io.
Nampirafy izy ka i Annà no anaran’ny vadiny anankiray,
ary Fenenà kosa ny anankiray.
Nanan-janaka i Fenenà fa i Annà kosa tsy mba nanan-janaka.
Niakatra avy any an-tanànany isan-taona ralehilahy io,
hivavaka amin’ny Tompon’ny tafika sy hanatitra sorona aminy any Silao.
Ary tao ny zanak’i Helî, roa lahy,
dia i Ofni sy Finea, mpisoron’ny Tompo.
Tamin’ny andro nanateran’i Elkanà sorona,
dia samy nomeny anjara avy i Fenenà vadiny,
sy ny zanany lahy aman-janany vavy
ary i Annà nomeny anjaran-droa satria tiany i Annà,
ary nataon’ny Tompo momba.
Sady nankalozain’itý rafiny mafy izaitsizy koa izy,
mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’ny Tompo azy momba.
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona
isaka ny iakaran’i Annà any an-tranon’ny Tompo,
fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy.
Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.
Hoy i Elkanà vadiny taminy:
“Ry Annà ô,
ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina?
Ary nahoana no malahelo ny fonao?
Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 14-17. 18-19
Koa inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
satria aho mpanompo mahatoky Anao,
fa zanaka mpanompovavinao
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho,
hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao.
Hefaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.
Efaiko ao an-kianjan’ny Tranonao,
ao Jerosalema tanànanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Nony natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.”
Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny
nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Andeha hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny
i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo : Mifalia fa akaiky ny Tompo ; ato amiko ny fanahin'ny tompo, nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny malahelo aho. Evanjely Masina nosoratan'i Md Joany 1, 6-8 ; 19-28 : Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany ; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy... Alahadin'ny hafaliana no iantsona ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo. Ny hafaliana no tokony hanenika ny mpanara-dia an'i Kristy na amin'ny mora na amin'ny sarotra...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 55, 1-11)
Ianareo rehetra izay mangetaheta,
mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia mividiana vary ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy izay nisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena;
ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao,
ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao,
noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao,
sy ilay Masin’i Israely,
satria nomeny voninahitra ianao.
Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka hiala amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy,
dia hamindràny fo,
hiverina amin’Andriamanitra fa hamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo tsy mba lalako,
— teny marin’ny Tompo, —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany
no haavon’ny lalako noho ny lalanareo,
sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala,
milatsaka avy any an-danitra,
ka tsy miverina any raha tsy efa maninteraka sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Iz. 40, 1-5. 9-11
Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy ny Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:
Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo
ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra,
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry,
ny avo hanjary tany lemaka,
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Miakara any an-tendrombohitra avo ianao,
izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao,
izay mitondra ny teny soa
ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanàn’i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo.
Indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo,
ny sandriny mampiasa ny fahefany.
Indro miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondriny:
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,
hitondra an’ireny eo an-trotroany
ary handroaka moramora ny mampinono.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 1-9)
Ry hava-malala,
izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy
dia nateraka avy amin’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy,
dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarana fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra
sy ny fitandremana ny didiny,
satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra
dia mandresy an’izao tontolo izao;
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao
dia ny finoantsika.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra;
ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Fa misy telo no manambara any an-danitra,
dia ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina;
ary Izy telo ireo dia mifanaraka.
Misy telo koa no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika,
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 6b-11)
Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany nanao hoe:
“Avy aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.
Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny;
ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 5, 5-6. 8-13)
Ry malala,
iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra,
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra, ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Misy telo no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra,
izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra,
dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra
dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny;
fa izay tsy mino kosa
dia mampandainga an’Andriamanitra
satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.
Ary izany fanambaràna izany dia izao:
nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika,
ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana;
fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa,
dia tsy manana ny fiainana.
Izaho no nanoratra izany aminareo,
dia ny mba hahafantaranareo
fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo
izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto:
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleloia.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 6b-11)
Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany Batista, ka nilaza hoe:
“Avy aoriako Ilay mahery noho Izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehinkapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.”
Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta, tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromailala,
nankeo amboniny,
ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe:
“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 11-21)
Ry malala,
araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany
dia tsy maintsy mifankatia isika,
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina
izay avy amin’ilay ratsy
ka namono nahafaty ny rahalahiny.
Ary ahoana moa no namonoany azy?
— Dia satria ratsy ny asany,
fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Aza gaga, ry rahalahy,
raha halan’izao tontolo izao ianareo.
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana
ho amin’ny fiainana, satria tia rahalahy.
Izay tsy tia kosa
mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny,
dia mpamono olona,
ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona
manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Izao no nahafantarantsika ny Fitiavana:
nahafoy ny Ainy ho antsika Izy.
Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika
ho an’ny rahalahy koa isika.
Raha misy manankarena amin’izao fiainana izao,
ka mahita ny rahalahiny mahantra,
nefa mihirim-belona aminy,
ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Anaka,
aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika
fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika
eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha ny fontsika aza
manameloka antsika,
mainka fa Andriamanitra,
izay lehibe noho ny fontsika,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry malala,
raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira miravo!
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niroso nankany Galilea,
ary nifanena tamin’i Filipo Izy
ka nanao taminy hoe:
“Manaraha Ahy.”
Avy ao Betsaïda,
tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.
I Filipo kosa nifanena tamin’i Natanaely
ka nanao taminy hoe:
“Efa hitanay ilay voalazan’i Môizy
tao amin’ny Lalàna sy nambaran’ny mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Moa mba mety hisy zava-tsoa va
avy any Nazareta?”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Avia, ary zahao.”
Nony nahita an’i Natanaely
tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely ka nanao hoe:
“Raby ô,
Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy.
“Mino ianao satria nilazako
fa hitako tao amin’ny ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
ao ambonin’ny Zanak’Olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco