Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 4, 1-11)

Resy i Israely, ary lasan-ko babo ny fiaran’Andriamanitra.

Ary natao tamin’i Israely rehetra ny tenin’i Samoela.
Dia nivoaka hiady tamin’i Filistina i Israely
ka nitoby teo akaikin’i Eben-Ezera:
ary ny Filistina nitoby tao Afeka.
Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistina,
ka rafitra ny ady,
dia resin’i Filistina i Israely,
nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady
teo amin’ny tany lemaka.
Niverina tany an-toby ny olona,
ary hoy ny loholon’i Israely:

“Nahoana ny Tompo no namely antsika teo anoloan’ny Filistina androany?
Andeha hoentina hankatý amintsika avy any Silao ny fiaran’ny faneken’ny Tompo;
aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.”

Dia naniraka nankany Silao ny olona,
ka nentina avy any amin’io tanàna io ny fiaran’ny faneken’ny Tompon’ny tafika,
izay mipetraka amin’ny kerobima.
Niaraka tamin’ny fiaran’ny faneken’ny Tompo Andriamanitra
izy mirahalahy zanak’i Helî, dia i Ofnî sy i Finea.
Nony niditra teo an-toby ny fiaran’ny faneken’ny Tompo
dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra,
ka nanako ny tany.
Ren’ny Filistina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy:

“Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka
any an-tobin’ny Hebrio izany?”

Dia reny fa ny fiaran’ny faneken’ny Tompo no tonga tao an-toby.
Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe:

“Tonga ao an-toby Andriamanitra.”

Dia hoy izy:

“Hahita loza isika,
fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandraka ankehitriny!
Hahita loza isika;
iza no hanafaka antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo?
Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsianina tany an’efitra
tamin’izao loza rehetra izao.
Samia matanjaka sy mitomban-dahy ianareo, ry Filistina,
fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo.
Misehoa ho lehilahy ary miadia.”

Dia niady ny Filistina ka resy i Israely
sy samy nandositra ho any an-dainy avy;
ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra,
no lavo tamin’i Israely.
Ny fiaran’Andriamanitra dia voasambotra,
ary izy roa lahy zanak’i Helî, i Ofnî sy i Finea, dia maty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 43, 10-11. 14-15. 24-25

Avoty izahay, Tompo, noho ny hatsaram-ponao.

Kinanjo Ianao itý mandao sy mahafa-baraka,
tsy mivoaka miaraka amin’ny tafikay intsony!
Izahay ataonao miamboho ny rafinay;
sy famabon’ireo mpankahala.

Izahay ataonao fandatsan’ny miara-monina,
fanakora sy faneson’ny manodidina,
fitafan’ireo firenena,
fihifihan-doha amin’ireo vahoaka!

Mifohaza, ry Tompo: ahoana Ianao no matory?
Miarena! aza dia tsy rototra, ry Ilay Hajaina!
Ahoana ny Tavanao no afenina?
no hadino ny fahorianay sy ny famoretana anay?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)

Niala tamin-dralehilahy ny habokàna, ka nadio izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:

“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”

Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:

“Mety aho, madiova ianao.”

Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa
sady namepetra azy mafy nanao hoe:

“Tandremo,
aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao
dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.”

Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...