Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 9-20)

Nohenoin’ny Tompo vavaka i Annà ka niteraka an’i Samoela.

Tamin’izany andro izany,
nony avy nihinana dia nitsangana i Annà.
I Helî mpisorona izany,
nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray,
teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsatokazon’ny tempolin’ny Tompo.
Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Annà tamin’ny Tompo,
ary nipotrapotraka ny ranomasony;
ary nivoady izy nanao hoe:

“Tompon’ny tafika ô,
raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao ianao,
raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao,
ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an’ny Tompo izy,
amin’ny andro iainany rehetra,
ary tsy hokasihin-kareza ny lohany.”

Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan’ny Tompo
ka nodinihin’i Helî ny vavany.
Fa niteny anakampo i Annà,
ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika,
fa ny feony tsy re akory.
Noheverin’i Helî fa mamo izy.
Dia hoy izy taminy:

“Mandra-pahoviana ianao no ho mamo?
Mampisavà ny hamamoana avy amin’ny divainao.”

Fa hoy i Annà:

“Tsia, tompoko,
fa vehivavy ory ao am-po aho,
tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho;
fa mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny Tompo.
Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon’i Beliala
fa ny hamafin’ny alahelo amam-pahoriako
no nitenenako mandraka ankehitriny.”

Dia niteny indray i Helî ka hoy izy:

“Mandehana amim-piadanana,
ary hohenoin’Andriamanitr’i Israely anie
ny vavaka nataonao taminy.”

Ka hoy izy:

“Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.”

Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy,
dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.
Ary nifoha maraina koa izy ireo,
ka nony avy niankohoka teo anatrehan’ny Tompo, dia nody izy,
ka niverina tany an-tranony any Ramà.
Ary i Elkanà nahalala an’i Annà vadiny,
ary ny Tompo nahatsiaro azy.
Ary nony nitsingerina ny andro,
dia efa nanana anaka i Annà ka dia tera-dahy izy,
ary nataony hoe Samoela ny anarany,
fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

1 Sam. 2, 4-5. 6-7. 8abde

Ravo amin’ny Tompo ny foko.

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo.
Ny lohako mitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.

Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana amin-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa;
ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.

Mamono ary koa mamelona ny Tompo,
mampidina sy mampakatra ny maty.
Mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.

Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra.
Ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)

Nampianatra azy ireo, toy ny manana fahefana Izy.

Indray sabata,
raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa
sy ireo nanara-dia Azy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga,
ary nampianatra azy ireo Izy.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny sinagôgany,
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”

Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:

“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io.”

Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe:

“Inona itý?
Fampianarana vaovao inona re itý?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.”

Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...