Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 55, 1-11)

Mankanesa aty amin’ny rano, na ianareo tsy manam-bola aza.

Ianareo rehetra izay mangetaheta,
mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia mividiana vary ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy izay nisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena;
ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao,
ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao,
noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao,
sy ilay Masin’i Israely,
satria nomeny voninahitra ianao.
Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka hiala amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy,
dia hamindràny fo,
hiverina amin’Andriamanitra fa hamela malalaka Izy.

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo tsy mba lalako,
— teny marin’ny Tompo, —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany
no haavon’ny lalako noho ny lalanareo,
sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala,
milatsaka avy any an-danitra,
ka tsy miverina any raha tsy efa maninteraka sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Iz. 40, 1-5. 9-11

Indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo Andriamanitra.

Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy ny Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo
ny indroa heny valin’ny fahotany.

Injany misy feo miantso hoe:
Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo
ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra,
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry,
ny avo hanjary tany lemaka,
ary ny vato mideza ho lembalemba.

Miakara any an-tendrombohitra avo ianao,
izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao,
izay mitondra ny teny soa
ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanàn’i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo.

Indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo,
ny sandriny mampiasa ny fahefany.
Indro miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondriny:
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,
hitondra an’ireny eo an-trotroany
ary handroaka moramora ny mampinono.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 1-9)

I Jesoa no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra.

Ry hava-malala,
izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy
dia nateraka avy amin’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy,
dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarana fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra
sy ny fitandremana ny didiny,
satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra
dia mandresy an’izao tontolo izao;
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao
dia ny finoantsika.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?

Dia Izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra;
ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Fa misy telo no manambara any an-danitra,
dia ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina;
ary Izy telo ireo dia mifanaraka.
Misy telo koa no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika,
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, aleloia.

Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 6b-11)

Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko.

Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany nanao hoe:

“Avy aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.

Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny;
ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...