Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 26, 1-9)

Nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’ny Tompo i Jeremia.

Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Jôsiasa, mpanjakan’i Jodà,
no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’ny Tompo, ho amin’i Jeremia:

“Izao no lazain’ny Tompo:
Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’ny Tompo,
ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra
izay tonga hivavaka ao an-tranon’ny Tompo,
ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy:
aza misy amelana na dia teny iray aza.
Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy;
dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy,
noho ny haratsian’ny ataony.
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo:
Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo;
tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo,
sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,
dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity,
ary ataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.”

Ren’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra
ny nilazan’i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon’ny Tompo.
Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’ny Tompo nolazaina amin’ny vahoaka rehetra,
dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy,
sady nataony hoe:

“Ho faty ianao!
Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’ny Tompo hoe:
Ho tahaka an’i Silao ity trano ity,
ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?”

Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’ny Tompo i Jeremia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 5. 8-10. 14

Valio araka ny fahamarinan’ny vonjinao aho, ry Tompo!

Ry Andriamanitra ô, maro noho ny volon-dohako
ny mpankahala tsy amin’antony;
mahery noho izaho ireo mandrafy noho ny endrikendrika.
Dia hataoko ahoana anefa ny famerina izay tsy nalaiko?

Noho Ianao no ilonjoako latsa, no mahasafo-kenatra ny tavako:
ka vahiny amin’ireo rahalahiko aho, sy olon-kafa amin’ny zanak’i neny?
Eny, ny fahasaro-piaroko ny tranonao
no maharìtra ny aiko.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra,
valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao,
sy araka ny fahamarinan’ny Vonjinao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va ity? Taiza no nahazoany izany rehetra izany?

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa,
ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany;
dia gaga ny olona ka nanao hoe:

“Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany?
Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io?
Tsy i Maria va no anaran-dreniny,
ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny
ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra?
Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?”

Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy:

“Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany
no tsy mba voahaja ny mpaminany.”

Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...