Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Nilaza ho tsy mahafantatra mazava ny antony nanagiazana ny foiben'ny antoko HVM eny Andraharo, Andriamatoa Alain Désiré, Sekretera jeneralin'ny antoko... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana androany teny Ankorondrano rehefa naharitra efarana ny fiofanana IMS 300... • Miandry fatratra ny fihaonana iarahana amin'ny Ben'ny Tanana vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR...
Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Tsy mitsaha-mitombo ireo olona traboina vokatry ny ora-mikija tato anatin'ny andro maromaro, ho an'Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina. Tombanana ho efa tafakatra 6.000, izany... • Ny antsasaky ny tokantrano malagasy, izany hoe 5 hetsy sy 2 tapitrisa, no kendrena ho tafiditra amin'ilay RSU Rejisitra Sosialy Tokana, hatramin'ny volana jona 2025... • Nosokafana androany ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny LMA, Lycée Moderne Ampefiloha...
Ny fitiavana dia sahala amin'ny tady tsy hita maso mampifandray fon'olona roa, lahy sy vavy. Sarotra ho an'ny tanora ny mamantatra ny tena fitiavana sy ny haitraitra, ny fitiavana anefa tsy lamaody. Raha mbola latsaky ny 17 taona dia mbola tsy matotra ary mbola tsy mahalala ny lanjan'ny fitiavana ny tanora iray. Maro ny diso amin'ny hoe "fitiavana" mira " firaisana ara-nofo... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Haneho hevitra ankalamanjana ary hangataka lalana amin'ny Préfet an'Antananarivo, ahafahana manao izany, ny Hery Politika Mitambatra sy ny mpiara-dia aminy, rehefa tsy navela hivory sy haneho hevitra anaty trano. Nomena anarana ho Vondrona Fanarenam-pirenena koa ny fiombonamben'izy ireo, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Natao androany ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ny olona amin'ny fampiasana ny harina sy kitay madio sy manaja tontolo iainana sy fenitra... • Efa afaka mandeha ny baka fitaterana ao Ifasy sy Mahavavy amin'ny Lalam-pirenena fahenina. Laharam-pahamehana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra, ny fampitana ireo mpianatra isa-maraina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco