♦ Hanatevin-daharana ny fikambanana Gasy Tompon'ny Taniny ireo ray aman-dreny ao amin'ny ARFM ahafahana manohy hatrany ny tolona efa natomboka. Tolona hanavotana ny tanindrazana sy hamerenana ireo nosy 5 miparitaka an'ny Malagasy... ♦ Madagasikara no mitantana ny kômity maharitra ho an'ireo mpiasam-panjakàna ambony ao amin'ny SADC nanomboka izao. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo amin'ny sekretera jeneralin'ny Ministeran'y raharaham-bahiny Malagasy sy Simbaboena... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny anio. Fahombiazana ny andro voalohany. Tonga marobe teny amin'ny kianja Makis Andohatapenaka ny mpitsidika...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...