♦ Misy tombony ho an'i Madagasikara ny maha mpikambana azy ao amin'ny SADC hoy ny PMH. Ahafahana manafatra ny sakafo hanampiana ireo filàna andavanandro ny tsena ao aminy hoy ny filohany Andry Razafindralambo... ♦ Tokony arahana an-tsakany sy an-davany hoy ny Transparency International Initiative Madagascar ny tsy fandoavana saram-pianaran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakàna, isorohana ny mety ho trangana kolikoly aterak'izany... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny androany. Ny fikarohana lalam-barotra no antony voalohany iakaran'ny tantsaha sy ny mpandraharaha eny ambanivohitra eto an-drenivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...