♦ Misy tombony ho an'i Madagasikara ny maha mpikambana azy ao amin'ny SADC hoy ny PMH. Ahafahana manafatra ny sakafo hanampiana ireo filàna andavanandro ny tsena ao aminy hoy ny filohany Andry Razafindralambo... ♦ Tokony arahana an-tsakany sy an-davany hoy ny Transparency International Initiative Madagascar ny tsy fandoavana saram-pianaran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakàna, isorohana ny mety ho trangana kolikoly aterak'izany... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny androany. Ny fikarohana lalam-barotra no antony voalohany iakaran'ny tantsaha sy ny mpandraharaha eny ambanivohitra eto an-drenivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...