31 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

30 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

♦ Tsy tokony hiandrasana Governemanta vaovao ny famaritana ny datin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina hoy ny antoko VHT, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaliny... ♦ Milaza ny hidina ifotony etsy amin'ny seranam-piaranamanidina iraisam-pirenena Ivato anio tolak'andro ny filoham-pirenena. Fidinana ifotony, taorian'ny fitarainan'ny maro, izay niparitaka be tamin'ny tambajotran-tserasera... ♦ Mbola tsy nidina ny vidin'ny lafarinina eny an-tsena na teo aza ilay toromarika nomen'ny Ministeran'ny varotra. Tokony mametram-pialàna izay tompon'andraikitra tsy mahavita ny asa hoy ny MCI... ♦ Niroso tamin'ny fampiharana sazy ara-toe-karena ho an'i Russie ihany koa ny fitondràna Ukraine...

29 jolay 2024 — Masimbavy Marta — Fahatsiarovana — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 19-27)

28 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

Somary mifangaro amin'ny maro ny hevitry ny hoe "literatiora", betsaka no milaza fa am-bava sy an-tsoratra izy io. Ny Lahabolana dia rindran-kevitra, na rindra-teny entina maneho zavatra na toe-javatra iray, izay haseho amin'ny fomba kanto sy miavaka. Miseho amin'ny endrika tantara na fitanisàna. Lahabolana : tôkatôka, Sôva, Isa, Beko... Ny literatiora dia azo hadika hoe heo "haisoratra", izay rari-teny atao an-tsoratra ; Ohatra : poezia (tononkalo), sombin-tantara, tantara foronina, tantara tsangana. Ny "oraliture" no fihaonan'ny am-bava sy ny an-tsoratra, izay voambolana iray misy sosom-boanteny " oralité - literature"... 

♦ Samy mitebiteby ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny amin'ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea. Miahiahy amin'ny resaka fivoahan'ny laza adina izy ireo ka miomana ara-tsaina amin'izay mety hitranga rehetra, hatramin'ny fiafaran'ny fanadinana... ♦ Milaza ny hampiato ny fandraofana sy fitaomana fako ireo mpiasan'ny SMA. Nifamotoana teny amin'ny foiben'ity orinasa teny Nanisàna indray izy ireo omaly, nitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy foana ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ao amin'izao na dia miato aza izany ; nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo momba izany ireo mpanolontsainn'ny tanàna omaly...

Mora ve ny mivavaka ? Tsia, tsy mora ny mivavaka fa mitaky ezaka maro sy faharetana. Ny loharanon'ny vavaka : tsy miankina amin'ny zava-misy sy ny toerana ny fahafahana mivavaka. Izany hoe izay zavatra hitan'ny maso, ny tontolo hifaneraserana no ampiasaina ho lasa vavaka sy loharano ipoiran'ny vavaka. Ohatra : mpitarika sarety ve ianao? Ataovy sehatra hahaizana mitarika vavaka io... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

♦ Mpiadina maherin'ny roa hetsy no niadina ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy, nanomboka androany. Milaza ny efa miomana ara-tsaina ireo mpiadina sendranay tao an-drenivohitra, mitaintaina noho ny resaka “fuite de sujet”... ♦ Milaza ny hampiato ny fitaomana ny fako androany, ireo mpiasan'ny SMA, mitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fanotorana tany ao an-drenivohitra amin'izao, na dia miato aza izany. Nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo, ireo mpanolotsain'ny tanàna, androany...

♦ Hifantoka bebe kokoa amin'ny fiomanana amin'ny fandraisana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny fivorian'ny pretra ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana mandritra ity herinandro ity... ♦ Manodidina ny 877 ny ankizy sy mpanabe tonga niatrika ny “Journée Diocésaine des Enfants”, notanterahana tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Ny mikasika ny fiombonam-po sy ny halemem-panahy no niaingan'ny fampianaran'ny Ray masina omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)

Hanao fanekena vaovao Aho, tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo —,
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany,
tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo —:
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:

“Mahalalà ny Tompo!”

Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe.
Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 18-19

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alana aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Amereno hafaliana aho ho vonjiko
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)

Ianao no Piera, vatolampy, homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.”

Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona,
fa Izy no Kristy.
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 1-7)

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao.

“Amin’izany andro izany
— teny marin’ny Tompo, —
Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin’i Israely,
ary izy ireo ho oloko.”

Izao no lazain’ny Tompo:

“Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra;
te-hanome fitsaharana an’i Israely Aho.”

Niseho tamiko tany lavitra tany ny Tompo.

“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao;
izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely;
hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
Hamboly ny tanimboaloboko indray ianao any an-tendrombohitr’i Samaria:
izay mamboly, hamboly ka hioty.
Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe:
‘Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin’ny Tompo Andriamanitsika!’
Fa izao no lazain’ny Tompo:
‘Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba,
manaova firavoravoana noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;
ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana ka lazao hoe:
‘Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13

Ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny ny Tompo.

Henoy ny Tenin’ny Tompo, ry firenena,
ka ambarao an’ireo Nosy any lavitra
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny!

Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra ny amin’ny tanan’ny mahery noho izy:
ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin’ny havoan’i Siôna,
hankafy ny zava-tsoan’ny Tompo toy ny vary sy divay, diloilo, zanak’omby aman’ondry!

Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana!
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana; hafaliana no hatambiko ny fahoriany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany
niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;

fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...