• Ho sahirana ireo zatra ny lalan-dririnina tamin'ny fanodikondinana ny vola tamin'ireny tetikasa novatsian'ny USAID ireny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Rakotoson Dany Herintsoa... • Mafampana ny any Vatomandry manoloana ny fihetsiketsehana nanoherana ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana sy Mpanolotsaina, farany teo. Miisa fito, hatramin'izao, ireo olona nosamborina vokatry ny filaharana... • Efa nihazo an'i Frantsa ireo dimy mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fifaninanana amin'ny taranja tsipy kanetibe PPF...
• Notendrena ho Loholon'i Madagasikara avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, Ramatoa Rakotondrazafy Lalatiana... • Tsy hangataka lalana amin'ny fivoriana hataony ny RMDM fa hanasa avy hatrany Préfet an'Antananarivo na ny solontenany, mba hanatrika izany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny fikambanana PMH...
25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.
Manoloana ny zava-misy ankehitriny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro dia miatrika fanamby maro ny firenena Malagasy. Anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra hiatrehana izany ny fambolen-kazo, izay sady manamaintso ny tontolo, no antoky ny fahasalamana, ary indrindra mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka... Entanina ny rehetra mba hampahafantarana ireo singa sy rafitra rehetra tsara ho fantatra mba ho tena mamboly hazo tokoa fa tsy manatsatoka, Tsy vitan’ny olo-tokana na andian’olom-bitsy ny fiatrehana io olana io fa mila ny fiaraha-mientana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Mazana dia mitoetra ny fahatezarantsika manoloana ny fitalahoantsika tsy tanteraka. Betsaka tokoa ny olana miseho ilantsika valim-bavaka kanefa toa tsy misy vokany. Tamin'i Jesoa Kristy tety an-tany dia maro tokoa ireo nitalaho ny famonjena taminy ka niantsoantso hoe "mamindra fo aminay". Na izany aza, ao ny nolaviny , saingy nanao lemozy fa ao koa ireo nanontaniany raha tena mino... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Hanasa ny Préfet an'Antananarivo ny RMDM amin'ny fivoriana hataony, manomboka izao. Tsy hangataka alalana kosa anefa satria voalazan'ny lalana mifehy ny antoko politika ny fivoriana, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao. Eo anelanelan'ny 800 Ariary ka hatramin'ny 1.200 Ariary ny iray kapoaka, arakaraka ny karazany avy... • Nihatsara ny fahatongavan'ny “Caisse école” eny anivon'ireo sekoly tokony hisitraka izany. Maherin'ny 66 miliara Ariary ny teti-bola natokana ho amin'izany amin'ity taom-pianarana ity, raha ny tatitry ny tetikasa Score...
Tsy tokony tsinotsinoavina ny talenta satria arena nomen'Andriamanitra ; ny fanabeazana sy ny fampianarana no afahana mampisongadina azy ireny. Ny traik'efa dia miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano ary ireny no isan'ny risika manosika handray andraikitra. Mahatsara ny fifandraisana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny fiarahana manao zavatra eo koa ny fifampiresahana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Tokony efa hiomana ny vahoaka Malagasy, fa isaky ny voalohan'ny volana hatramin'ny fahadimin'ny volana itsahina no hanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo... • Jahiby 15 gony nentin'ny fiarakodia iray no saron'ny Zandary nanao sakana omaly, tany Vinaninkarena Atsirabe... • Mpikambana miisa 32 mianadahy tao amin'ny VOI, Vondron'olona Ifotony MANOVOSOA, tany Antanditra Moramanga, no notorina tsy ara-drariny any amin'ny Fitsarana...
Tena mampiteny ny moana ny zavamisy eto Madagasikara ankehitriny, satria tena efa miantraika lalina any amin’ny aty vilanin’ny Malagasy mihitsy ny fiakaran’ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro, raha tsy hiteny afa-tsy ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy isika. Efa tafakatra 4.000 Ariary izao ny kilaon’ny vary, izany hoe manodidina ny 200.000 Ariary ny iray gony. Tsy ny vary ihany no nahitana fisondrotam-bidy, fa saika ny entana ilain’ny mponina andavan’andro rehetra mihitsy, ny voamaina: toy ny tsaramaso ohatra dia efa tafakatra 2.000 Ariary ny kapoaka, raha 1.400 Ariary izany, telo volana lasa izay. Eo koa ny hen’omby izay efa 24.000 Ariary ny kilao, sy ny maro tsy voatanisa… Fanina tanteraka ny ankamaroan’ny fianakaviana, fa misy zara raha mihinan-kanina, eny e! koa ny hohanina mihitsy ary no mahafanina vao mahita azy koa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco