♦ Tanterahina manomboka androany manerana ny tanin'ny repôblikan'i Madagasikara ny fanadinana Bakalôrea ankapobeny sy teknika, nahitana fitomboany ny isan'ireo mpiadina bakalôrea ankapobeny tamin'ity taona ity... ♦ Mangataka ny hanesorana ireo tompon'andraikitra nanao tandrevaka ka nahatonga famoizana ain'olona maro teny Ambohimalaza ny Transparency International. Hirosoana ny fanadihadiana ny tompon'ny fety sy ny fianakaviany hoy ny Ministry ny Fitsaràna...  ♦ Drafi-panarenana ny orinasa JIRAMA : Hampandraisana anjara feno amin'ny fampidirana solontenan'izy ireo anatin'ny kômity fanarenana ny mpiasa hoy ny fanambarana nataon'ny Ministeran'ny Angovo... 

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...