♦ Ny taranja Anglisy no hatrehan'ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny amin'io tolak'andro io raha ny taranja filôzôfia no nanokafana ny fanadinana ny maraina teo... ♦ Tsy mendrika an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny mpitondra manamaivana sy tsy mahafehy ny sehatry ny fahasalamana ary tsy miraharaha ny aina maro nafoy hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin'ny fanoherana. Tsy niandry ela ny vali-kafatra avy amin'ny mpitondra tenin'ny governemanta momba izany... ♦ Nentina niatrika fanadihadiana eny amin'ny borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana androany maraina i Fenohasina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...