♦ Nanao hetsika teny Anosy androany ireo manana ny maty, noho ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny poizina nahafaty ny havany izy ireo... ♦ Hatao rahampitso eny Anosy ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Mitombona ny porofo napetraka hoy ny kandidàn'ny mpanohitra, Frérot l'homme noir, androany... ♦ Misy amin'ireo mpiadina no namarana tanteraka ny fanadinana Bakalôrea androany. Samy nanan'ny filazany momba ireo laza adina niadinana tamin'ny ankapobeny, izy ireo... ♦ Nianjera tany atsinanan'i Rosia androany maraina ny fiaramanidina Antonov, nitondra olona 49...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...