• Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny fanabeazana ny fisian'ny kolikoly eo amin'io sehatra ireo io, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Tsy sahy mitaraina na mitoroka anefa ny 80 %-n'ny olona niharany, nanaovana fanadihadiana... • Nisy akony tamin'ny fanjifan'ny Malagasy fiara ny valan'aretina Covid teto amintsika. Nidina hatrany amin'ny 30 % izany, hoy ny vondron'ny mpandraharaha misehatra amin'ny fanafarana fiara efa niasa avy any ivelany na ny GIVEOM... • Hatsangana ho dina ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimaliniky, Distrikan'i Toliara Faharoa, ny andrimasom-pokonolona Voromahery. Nahatsapa fitoniana ny mponina hatramin'ny nananganana sy nisian'izy io, hoy ireo olom-boafidy sy olobe ao an-tanana...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...