09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.

Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

♦ Nahena ny isan'ireo vatamiaramila handray anjara amin'ny matso, hanamarihana ny faha-60 taona niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ny 26 jona izao... ♦ Mila manova fomba fiasa ny fitondrana, amin'ny fanarenana ny ara-toe-karena eto Madagasikara, hoy ny firaisa-monim-pirenena Vohifiraisana... ♦ Hisy fifaninanana fandraharahana ho an'ireo mpianatry ny Oniversitem-panjakana, tafiditra anatin'ny pôlitikan'ny Governemanta hanarenana ny toe-karena ao aorian'izao krisy ara-pahasalamana izao...

♦ Niampy 42 indray ireo mararin'ny Coronavirus eto amintsika, 21 kosa anefa no sitrana... ♦ Nigadona teny Ivato omaly hariva ny fiaramanidina nitondra ireo vehivavy Malagasy 176 nisasa tany Koweit... ♦ Nanangana kitapom-bola iombonana na Basket Fund ny Vondron'ny mapandraharaha malagay na ny GEM, hanampiana ireo orinasa tra-pahasahiranana...

♦ Mahavelom-panantenana fa niampy 21 ireo olona sitrana soa ama-tsara, nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Tonga teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra ireo vehivavy Malagasy miisa 176, nampodiana, niasa tany Koweit... ♦ Havaozina hifanaraka amin'ny zva-misy eto amin'ny firenena ilay Plan Emergence de Madagascar efa teo aloha hoy Andriamatoa Holijaona Raboana...

Alakamisy 11 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.

Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".

Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

♦ Folo no isan'ny olona nametraka ny antontan-taratasiny eny amin'ny Antenimeiram-pirenena hifaninana amin'izay hisolo ny toeran'Andriamatoa Thierry Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI teo aloha... ♦ Vonona handray anjara amin'ny fanadihadiana mikasika ny fitantanana ireo fanampiana azon'i Madagasikara hiadiana amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo Loholona...

♦ "Mba ho tantarainao amin'ny zanakao aman-jafinao... lasa tantara ny fiainana", izay no lohahevitry ny Andro eran-tany faha-54 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona nankalazaina omaly teto Madagasikara... ♦ Iray no maty, 09 marary mafy, 21 sitrana soa aman-tsara. Nisy 26 indray ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, ka ny 11 tany Toamasina, 16 teto Antananarivo...

08 jona — Teraka ny 27 novambra 1838 tao amin’ny tanana kely atao hoe Montlogis tao Polminhac ao amin’ny Cantal tao Auvergne i Jacques Berthieu. Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniny izy no zokiny indrindra tamin’ireo fito mianadahy velona notaizan’izy mivady. Tao amin’ny seminera zandriny tao Pau izy no niantra talohan’ny niofanany ho pretra tao amin’ny seminera zokiny tao Saint-Flour.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...