09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.

Niaina tao anaty ny famolahan-tena mafy i Éphrem, nanorina sekoly fandalinana teôlôjia tao Turquie izy ka maro ireo Persa kristianina voahenjika nianatra tamin’izany sekoly izany. Ny asa sorany dia niavaka tamin’ny fahaizany manome aina an-tsary an’izany asa sorany izany. Fa matetika ihany koa no miavaka izy tamin’ny toriteny nataony, ary indraindray aza toy ny hira manentana izany ka mora tadidiana izay ambarany.

Sahirana ireo tandrefana indraindray mahazo izay tiany ambara amin’ny sarin-teny amin’ny tononkalo ataony, ary maro ny andalan-tSoratra Masina nitondrany famakafakana sy fandalinana. Nasehony miharihary teo amin’ny fiainany ny fitiavana mivaivay sy sarobidy an’i Jesoa Kristy sy i Maria reniny.

Nambaran’ny papa Benoit XV tamin’ny 1920 fa Mpampianatry ny Fiangonana i Masindahy Éphrem noho ireo asa sorany fandalinana teôlôjia izay miavaka indrindra.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...