Manahy amin’ny mety hisian’ny resaka kolikoly ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus ny eo anivon’ny Fiketrahana Masina.
♦ Nikasa ny hitsoaka ny toerana itazomana azy ao amin'ny Cité Canada Toamasina omaly, ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any an-toerana... ♦ Mitaky ny hanafoanana ireo faktiora maromaro anatin'ny iray volana, ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa RNDC, izay mpikambana ao anatin'ny Filankevi-pitantanan'ny Jirama... ♦ Mangataka ny hamoahana ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana ny fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara...
16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.
Zoma 19 jona 2020 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.
♦ Niampy 18 indray ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra farany nivoaka omaly... ♦ Efa nanakatona ny orinasany amin'izao ny 20%-n'ireo mpandraharaha eo amin'ny Fivondronan'ny mpandraharaha Malagasy, noho ny fahasahiranana ara-bola... ♦ Nonolotra soson-kevitra ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ny mponina, manoloana ny valana'aretina, ny Antoko RDS...
♦ Olona 18 vaovao indray no voatily omaly fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-18, araka ny tatitra androany... ♦ Mitohy hatrany ny fandraisan'ny eo anivon'ny CCO Covid-19 ireo fanampiana avy amin'ny malala-tanana... ♦ Namarana ny tatitra nataon'ny Governemanta teo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny Praimisitra Ntsay Christian androany...
Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.
♦ Ahemotra ny 14 ôktôbra ny fankalazana manetriketrika tokony hatao ny 26 jona ho avy izao, hoy ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mbola velon-taraina amin'ny tsy fahazoany fanampiana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao ireo mpandraharaha sy mpampianatra ao amin'ny Fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara... Ilaina ny fanapritahana ny fanaovana fitiliana any amin'ny faritra mba hahafahana mamoaka voka-pitiliana tena azo antoka, hoy ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...
♦ Miverina amin'ny andavanandro avokoa ny asa rehetra manerana an'i Madagasikara ankoatra ny eto amin'ny faritra Analamanga sy ny ditrika efatra any Toamasina... ♦ Niampy 20 ireo olona voatily ho tratran'ny Coronavirus ary dimy ireo marary sitrana araka ny tatitry ny CCO... ♦ Ankizy simba molotra sy vaky lanilany 500 no tokony hahazo fandidiana avy amin'ny Opération Smile saingy mbola miandry ny fivoaran'ny Coronavirus ny fotoam-pandidiana...
15 jona — I Masimbavy Germaine dia nantsoina hoe Germaine Cousin teraka ny 1959 tao Pibrac akaikin’i Toulouse. Zanaka tantsaha izy io, Laurent Cousin sy Marie Laroche no ray aman-dreniny. Taizan’aretina hatry ny fahakeliny i Germaine ary malemy ny tanany havanana. Mbola zaza mena vava izy no maty ny reniny ka ny renikeliny no nitaiza azy.
14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.
13 jona — I Masindahy Antoine de Padoue dia i Fernando Martins de Bulhões no tena anarany. Fa ny anarana hoe Antoine dia tamin’izy tao amin’ny tranon-drelijiozy. Teraka tamin’ny taona 1915 tao Lisbonne i Antoine. Miaramila sady andriana moa ny rainy, taranak’i Charlemagne.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco