Manahy amin’ny mety hisian’ny resaka kolikoly ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus ny eo anivon’ny Fiketrahana Masina.

Fanamarihana nentin’ny solontenan’i Vatican eo anivon’ny OSCE na ny « Organisation pour la Sécurité et le Coopération en Europe » izany, ny alatsinainy teo, nandritra ny « vidéoconférence » niarahany tamin’io sampan-draharaha misahana ny fiarovana sy ny fiarahamiasa amin’i Eraopa io. Mety hampirongatra ny kolikoly, hoy Monseigneur Janusz Urbanczyk, izay vanim-potoanan’ny valanaretina covid-19 izao. Vontoatin’io « vidéoconférence » io moa ny fanomanana ny andiany faha-28 amin’ny fikaonandoha ara-toekarena sy ara-tontolo iainanan’ny OSCE. Hita taratra ankehitriny, hoy izy, ny fisian’ny fiovàna samihafa eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena sy tontolo iainana. Tsy azo lavina fa iray amin’ireo ratra goavana manimba ny fiarahamonina ny kolikoly, miteraka fahavoazana maro na eo amin’ny lafiny etika na ara-toakerana. Notsiahivin’io delegasion’ny Fiketrahana Masina io ny fanamarihana nataon’i Papa François nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpiasan’ny « Cour des comptes » italiana tao Vatican, ny 18 marsa 2019. Nambarany tamin’izany fa mampihetry ny fahamendrehan’ny olombelona sy manimba ny tsara rehetra ny kolikoly. Manana andraikitra hiady amin’izany ny fiarahamonina manontolo.  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...