28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.
27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.
Sabotsy 04 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-17 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
♦ Nahitana taratra ny fikatsahana sy ny fanajana ny kolontsaina sy ny soatoavina maha malagasy ny ady atao amin'ny valan'aretina Coronavirus... ♦ Nisy olana ny famindram-pitantanana teo amin'ny lehiben'ny CISCO teo aloha tany Mananjary sy ny vaovao... ♦ Niravina ny disadisa teo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana FTAR momba ny famadihana ny fahazoan-dalana ho an'ny Taxi ho nomerika...
♦ Niampy 63 ireo olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Hahemotra amin'ny fotoana mahamety azy ny fankalazana ny JMJ Diôsezin'Antananarivo saika hatao ny 03 hatramin'ny 06 septambra izao... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoakan'ny IRD sy ny tsy miankika miisa 96 ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana...
♦ Vehivavy iray 46 taona indray no namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Lany tetsy amin'ny CCI Ivato nandritra ny fivoriana itambaram-be nataon'ireo Solombavambahoaka ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana... ♦ Hiteraka fampandrosoana isam-paritra ny fahalanian'ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana...
Aizahoaiza ny fahaizana mapita ny Soatoavina maha Malagasy. (24-10-2019)
Miavaka ity fankalazana ny tsingerin-taona niverenan'ny fahaleovan-tena taona 2020 ity, satria tanterahana anaty fihibohana. Vanim-potoana hieritreretana ny fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana. Mora ny mitadidy sy mitantara ireo voarakitra tamin'ireo dingana maro nolalovan'ireo mpiray tanindrazana teo aloha, nahazoana manatanteraka izao fankalazana ny fitsingerenan'ny fiverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena izao. Raha mahatsiaro fa tena olom-pirenena marina ianao : fohazy ny afom-pitivan-tanindrazana.
Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.
24 jona — I Masindahy Jean Baptiste no ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra nanambara sy nilaza ny fiavian’i Jesoa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy ihany koa no nanao batemy an’i Jesoa teo amoron’i Jordany, ny nahatonga azy nantsoina hoe Jean Baptiste moa dia noho izy izay nanao batemy izay, izy no ilay mpialoha lalana ny Mesia.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco