01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.
♦ Isan'ny seha-pihariana mampiditra vola vahiny betsaka ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana lohamenaka. Nifampidinika tamin'ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny ekipan'ny Vondrona GEHEM... Nanomboka ny alatsinaina lasa teo ka hatramin'ny rahampitso alakamisy dia manam-boninahitra miisa 84 no miatrika adina am-bava eny anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena eny Ampahibe...
♦ Ny tranga vaovaon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, 75 amin'ireo 76 voamarina omaly dia avy eto Antananarivo avokoa. 28 no sitrana soa aman-tsara. Nihena enina kosa ireo marary mafy... ♦ Andriamatoa Benaivo Andrianaly Narcisse no voafidin'ny Solombavambahoaka hisolo tena azy ireo eo anivon'ny CENI...
♦ Miisa 2214 ireo olona voatily fa efa mitondra ary mbola mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Tontosa androany ny fifidianan'ny Solombavambahoaka izay ho solontenan'izy ireo ao amin'ny CENI... ♦ Amperin'asa ny Ivon-toerana Fanaraha-maso ny Jono na ny CSP ho an'ny Faritra Diana...
30 jona — Anisan’ireo olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria mahatratra 23 ireo tanana mitondra ny anarany ary maro ireo fiangonana ary paroasy eo ambany fiarovany. Izy no evaka voalohany tao Limoges iray amin’ireo eveka fito avy any Roma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 250.
♦ Kaominina Ambanivohitra 20 ato anatin'ny faritra Analamanga omaly no notolorana drafi-panjariana kaominaly mifanaraka amin'ny fahafahana miatrika ny vokatry ny fiovan'ny toetry ny andro... ♦ Mbola andrasana ny fanadihadiana lalina mikasika ilay raharaha fividianana vatomamy 8 miliara Ariary... ♦ Ho afaka hanao fitiliana ny tsimok'aretina Coronavirus tsy ho ela ireo faritra manana fitaovana hahafahana manatanteraka izany any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy...
♦ Niampy 60 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika. Nitombo 24 ireo marary mafy... ♦ Entitra ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra hiadiana amin'ny Covid-19... ♦ Nitokona nanomboka omaly ireo mpianatra ho mpitsabo, taona fahafito sy fahavalo ao amin'ny hôpitaly HJRA...
♦ Niroso tamin'ny fisamborana ireo tsy manaja ny fepetra isorohana ny fihanaky ny Covid-19 ny mpitandro ny filaminana tao an-drenivohitra... ♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny taona fahafito sy fahavalo eny amin'ny HJRA... ♦ Hotanterahina amin'ny alarobia ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ilay vaomiera manokana handinika ny fanenjehana ireo mpitondra ambony...
29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.
Nofaranan’i Papa François tamin’ny fanentanana hivavaka ho an’i SYRIE sy ny ankizy any YEMEN ny vavaky ny Angélus, teo amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera, omaly alahady.
♦ Ezaka iombonana ny ady amin'ny Coronavirus, mitohy ny fampiharana ny fepetra mifandraika amin'izany, manerana ny Nosy... ♦ Tsy fantatra mazava hatramin'izao raha toa ka hisy fanovana na tsia ny daty ho an'ireo fanadinam-panjakana... ♦ Naotin'ny Ministeran'ny Asa : miato vonjy maika amin'ny asany ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana...
♦ Anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankeitry ny Ministra tamin'ny sabotsy teo ny fametrahana ivon-toerana vaovao eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka... ♦ Niampy roa indray ireo olona namoy ny ainy vokatra ny valan'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Nanohana an'i Madagasikara avokoa ireo firenena rehetra nivory teo anivon'ny SADEC, ny amin'ny fitakiany ireo Nosy malagasy...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco