26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.

Fanta-daza tamin’ny fitiavam-bavaka sy asa fitiavana ny mahantra izy mirahalahy ireo. Rehefa tonga teo amin’ny fanjakana i Julien l’Apostat dia nangata-pialana tamin’io asany io izy ireo, ka lasa niverina tany amin’ny tranony tany amin’ny vohitry i Caelius, i Julien raha teo koa moa nifofo ny ain’ireo kristianina, ka tena nankahalaian’izy mirahalahy ireto mihitsy ny hanompo sy hiasa ho azy. Nangataka tamin’izy ireo i Julien mba hiverina tao an-dapa toy ny tamin’ny nanjakan’i Constantin sy ny zanany, fa nandà ny hiresaka aminy izy roalahy noho i Julien mandà ny finoana kristianina. Nomeny folo andro hieritreretana ary izy mirahalahy, nandritra izany no nanoman’izy ireo tena, fantany fa tsy maintsy ho faty martiry izy. Nanao asa fiantrana i Jean sy i Paul, namidiny avokoa izay rehetra mety ho fananany, ary nozarainy tamin’ny mahantra ny vola, ny akanjo, ny fanaka sarobidy mba tsy ho lasan’ireo lian-karena sy liam-bola. Avy eo izy mirahalahy nivavaka sy nankahery ireo mpino ka nampianatra hoe : “Aleo mifidy mamoy ny aina noho i Jesoa Kristy toy izay mandà ny finoana”.

Ny andro fahafolo dia tonga teo amin’izy ireo izay mbola nivavaka ny iraky ny amperora. Efa vonona ny hijaly noho ny finoana izy fa hoy ny iraky ny amperora hoe avia mitsaoka an’i Jupiter. Jupiter moa dia iray amin’ireo andriamanitra romanina, ka izy io no hoe ilay andriamanitry ny lanitra, hazavan’ny andro, ny varatra sy ny kotroka. Dia hoy ny navalin’i Jean sy i Paul ilay iraka hoe “Andriamanitra no hiankohofana fa tsy ny demony. Raha nibaiko anay ho an’ny soan’ny fanjakana i Julien dia zony izany fa raha ny hibaiko anay hitsaoka ireo sary olona dia efa mihoatra ny fahefana izany, ekenay fa amperora izy, nefa izahay tsy manana Andriamanitra afa-tsy Andriamanitra Ray, Zanaka sy ny Fanahy Masina izay Andriamanitra tokana olona telo”. Rehefa hitan’ny iraka fa tsy azo nohozongozonina ny herim-pon’izy ireo dia nasainy nandavaka teo amin’ny zaridaina teo amin’ny tokontany ary notapahana ny lohany, tao an-tranon’izy ireo ihany moa no nanaovana izany, dia avy eo nalevina mangingina ny alina io. Natahotra ny amperora fa hahatezitra ny ao Roma io famonoana azy roalahy io ka naely eran’ny tanana ny hoe nalefa sesitany izy reo. Tao aorian’izay moa dia nibebaka ihany koa ilay iraka sy ny fianakaviany ; ilay iraka izay nanapaka ny lohan’izy mirahalahy ireto noho ny zanany afaka tamin’ny asan’ny demony rehefa nangatahana vavaka tamin’ireo martiry ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...