Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".

Nankatoavin'i Papa François ny fanatanterahana io hetsika io. Tanjona ny hitadiavam-bola ho fanampiana ireo mpiasan'ny hôpitaly italiana ao Brescia sy Bergame, isan'ireo tena lasibatra amin'ny fandraisana ny olona mararin'ny covid-19. Hamidy amin'izao hetsika izao ny kojakoja fampiasa amin'ny fanatanjahantena samihafa, nataon'ny olona fanomezana ho an'i Papa François. Isan'izany ilay bisikileta manokana natolotr'i Peter Sagan, teratany slovaque sady tompondaka amin'ny hazakazaka am-bisikilety, ho an'i Papa François. Mikarakara izao hetsika izao ny ekipa misahana ny atletisma ao Vatican sy vondona mpanao fanatanjahantena italiana samihafa. Haharitra 2 volana moa izao hetsika fitadiavam-bola ho fanampiana ny mpiasan'ny hôpitaly any Italie izao. Manandratra hatrany ny fanatanjahantena i Papa François ka sokajiany ho toa ny fitaovana fampitoviana lenta sy hisian'ny fifampizarana ary fitaovana hampanjakana ny fiadanana sy ny firaisankina izany. Nanentana ny rehetra handray anjara amin'izao "hazakazaka" izao amin'ny fo tokoa izy, araka ny efa nambarany tamin'ireo mpikarakara ny hetsika tamin'ny 20 mai lasa teo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...