Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

0 : 00

"Ny maso mijery tsy mitondra mody", hoy ny vazivazin'ny tanora eny amin'ny fiainana andavan'andro eny, dia hoy koa ilay mpanakanto malaza iray hoe "fomban'ny maso ny mitsiriritra". Soa ihany i Jesoa fa efa niteny mazava hoe : ny maso no jiron'ny tena, ary tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anaty no mahaloto ny olona fa ny zavatra ao am-pony no mahaloto azy, dia ny fijangajangana, ny fakam-badin'olona sy ny sisa... Dia miompana amin'io didin'Andriamanitra fahenina io no itondran'i Jesoa fampianarana ho antsika mianakavy androany ao amin'ny Vaovao Mahafaly.

Hoy izy hoe : "Aza mijangajanga". Mateitka, hoy ny mpandinika iray, arakaraka ny handrarana ny olona vao mainka ataony ihany, ary hita fa efa afo mandoro, mbola lalaovina ihany. Ny saina tokoa rehefa hadalaina dia adala, toa saika mirona amin'izany avokoa ny sain'ny olona ankehitriny, hatraiza hatraiza mihitsy, tsy kely tsy lehibe, tsy antitra tsy tanora, tsy lahy tsy vavy, eny fa na ny ankizy mbola tsy ampy taona any am-pianarana any aza dia efa mirona amin'izany sahady. Andeha horaisintsika an-tanana ny hafatr'i Kristy : ny maso mijery no mahatonga ny fitsiriritana ao am-po mantsy, ary ny hetaheta sy ny faniriana no mahatonga ny fikasana ka mampiredareda ny filan'ny nofo, ary ny fanatanterahana izany no mahadifotra ao anatin'ny fahotana mahafaty mangitsokitsoka, satria tsy izany no hevitry ny Fiangonana ary tsy izany ihany koa no sitrapon'ilay Mpahary nanao antsika.

Ry kristianina havana, mety miseho amin'ny endrika maro ny atao hoe fijangajangana, fa ny antony handraran'Andriamanitra tsy hanaovana izany dia noho ireto voka-dratsy maro samihafa izay manimba ireto : eo aloha ny mety ho areti-mandoza vokatr'izany, fa eo ihany koa ny fanosihosena ny zo aman-kasin'ny ankilany, ary lasa kilalao sy fitaovana entina ahazoam-pahafinaretana fotsiny izany, sady ihany koa tsy firaharahana ilay tsodranom-pahariana avy amin'Andriamanitra Mpahary. Tadidio, fa Tempolin'Andriamanitra isika, masina sy voatokana ho azy, ka aza atolotra ho an'i Satana ny tena fa sahia ary mijoroa ho vavolombelon'ny fitiavan'Andriamanitra. Jesoa ô, olombelona mitafy nofo sy rà izahay, koa ampio hiezaka mafy hifehy tena, tsy ho voabaikon'ny filan'ny nofo fa hitandro toa ny anakandriamaso ny hasarobidin'ny fahadiovam-po. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...