Alakamisy 11 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.

0 : 00

Misy fomba fiteny izay hoe "ny an'ny tena ihany no hananan-doza", izany hoe, matetika ny olona mifankahazo, na ny mpinamana akaiky na mety ho fianakaviana ao an-trano aza no tonga mifandrafy, mifampihantsy. Ny hevitra indraindray no tsy mifankahazo dia hifampiandrasana kendry tohina etsy sy eroa. Fa hifamono ve, sa hifamelona ? Dia inona no tombon-tsoa azo amin'ny fifamonoana ? Izay indrindra no mahatonga an'i Jesoa nanitsy sy nanisy tsindrim-peo manokana ny didin'Andriamanitra fahadimy hoe : "Aza mamono olona", izay nambaran'ny Vaovao Mahafaly androany. Raha eo amin'ny fiainana andavanandro, dia efa iaraha-mahalala ny zava-miandry izay mpamono olona. An'Andriamanitra tokoa mantsy ny aina, koa rariny i Jesoa raha ho sarotiny sy mampahatsiahy antsika mianakavy.

Ry havana, tsy ny hoe mamorika olona, na ny manindrona antsy olona, na ny mifitra olona amin'ny basy na mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ihany no atao hoe mamono olona, fa mety hiseho amin'ny endrika marobe samihafa izany, na an-kolaka na mivantana. Ka noho izany dia atoron'i Jesoa androany, ny vahaolana mahomby dia ny fihavanana. Mety miseho amin'ny endriky ny fifamelana izany, satria izay to fo hono mpamosavy, hoy ny fitenenana. Mihavana faingana amin'izay manana ady aminao, hoy ny tenin'i Kristy, satria ny heloka hibabohana tokoa mody ho rariny, ary ny valifaty tsara indrindra dia ny famelan-keloka. Ary mpianakavy isika ka samy zanaky ny Ray. Jesoa ô, ampianaro izahay mba hiaina ny fitiavana tahaka Anao, tsy misy fihatsambelatsihy amin'ny manodidina anay. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...